Politique

Alaotra Mangoro Leo fampanantenana ny Vahoaka


  • Talata 07 Septambra 2010

Hamboarina, hoy izy, ny ny lalam-pirenena faha-44 izay najanon’ny hafa. Afaka iray volana dia atao sentetika ny Kianja fanaovam-baolina, afaka mangataka tany ireo tanora tsy an’asa.

Dia variana ihany izahay amin’ireo fampanantenana nataon’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) ireo, hoy ny olona tonga mba nijery sy liana amin’ny fankafizana ilay mpanakanto malaza, Rossy, nanafana ny fotoana tamin’io sabotsy 4 septambra teo io. Fanontaniana maro no mipetraka ao an-tsain’ny rehetra raha naheno ireo karazana fampanantenana isan-karazany ireo. Voalohany amin’izany ny hoe : fa iza moa no namboly korontana teto amin’ny firenena tamin’ny taon-dasa ka nahatonga ny fanamboarana ny RN44 tsy nitohy ? Sao tsy tsaroan’ny filohan’ny FAT fa efa fandaharan’asan’ny fitondrana teo aloha ny hanatsarana ny kianja fanaovam-baolina amin’ireo renivohi-paritra eto Madagasikara ? Fa ny tena nahavariana dia ny fanapahan-kevitra toa teren-ko masaka fotsiny. Amin’ny olona tao Ambatondrazaka sy izay naheno ny lahateny rahateo dia nahatsara fa tsy nitovy ny fanazavana nataon’ny Ministry ny asa vaventy sy ny filohan’ny FAT. Raha araka ny fanazavana nentin’ingahy ministra dia terrassementsy fanamboarana ireo faritra tena saro-dalana no atao amin’ny lalam-pirenena faha-44. “Koa aiza ary izay tena vahaolana amin’izao fahantrana mahazo ny vahoaka izao fa toa fampanantenana no betsaka”, hoy ny mponina.

Niparitaka mihitsy tao Ambatondrazaka ny trakta izay milaza ny toe-java-misy ankehitriny vokatry ny ataon'ny FAT. Na ny sampana serasera eo anivon'ny zandarimariam-pirenena aza dia nampiely ny fisian'ity vaovao ity tamin'ny haino aman-jery. Nisy lohateny milaza hoe : «Mitraka ry vahoakan'Alaotra» ilay trakta. Mbola nitohy ilay trakta manao hoe : «Namela holatra tsy maty kosehina teo amin’ny fiainantsika isan-tokantrano ny ratra mahamay vokatry ny fanonganam-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina. Tsy voakosoky ny foara na lapabe akory ny takaitra navelany isan-tokantrano, tadidio fa takaitra hozogain’ny taranaka faramandimby ny fahotana mahafaty nataon’ny HAT sy ny forongony. Vahoaka tsy manaiky lembenana ny eto Alaotra ka tsy manaiky hoviravirain’ny foza orana, tadidio fa hotsarain’ny tantara eto amin’ity tany masina ity. Fandriampahalemanana tsy misy, mirongatra ny asan-dahalo ambanivohitra sy an-tanàn-dehibe, vaky trano, vono olona, very asa vokatry ny krizy nentin’i Andry Rajoelina sy ny tariny. Mijoroa isika !”. Niparitaka manerana an'Ambatondrazaka mihitsy moa io trakta io.
 
Ny endri-javatra toy izany no fambara fa dia gejain’ny mpitondra ny haino amanjerim-panjakana. Ny fisian’ireny koa no mbola porofon’ny ratra am-po eo amin’ny vahoaka, navelan’iny fanonganam-panjakana nitranga ny taona 2009 iny, ary mandiso ny filazan’i Andry Rajoelina tany Mahajanga ny 25 jolay 2010 raha nilaza tao anatin’ilay fandaharana manokana tamin’ny haino amanjerim-panjakana fa tsy nisy Malagasy niady teto.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT