Politique

Krizy politika Mipatitaka koa ny antoko Arema


  • Talata 07 Septambra 2010

Mahery vaika ity krizy eto Madagasikara ity. Tsy vitan’ny namotika ny firenena ary koa nampisaratsaraka ny firaisankinan’ny Malagasy fa mipatitaka hatramin’ny antoko heverina fa matanjaka koa tratrany.

Lasibatra amin’izany ny Arema izay misy «Direction Collégiale» koa milaza fa mitondra ny antoko ankehitriny. Ireto farany dia mitaky ny hanohizana ny dinika natao teny Vontovorona in-droa miantoana niarahana tamin’ny CNOSC sy ny GIC. Mba tsy ho fandaniam-bola sy fotoana fotsiny ihany no antony hitakian’ity antoko ity izany hahafahana mivoaka haingana ao anatin’ny krizy ka hahazoana ny fankatoavana avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena hirosoana amin’ny fametrahana ny Repoblika fahefatra iraisan’ny rehetra. Na izany aza anefa nanambara ity antoko ity fa handray anjara feno amin’ny fikaonan-doham-pirenena hotanterahina ny 13 ka hatramin’ny 18 Septambra ho avy io hilazany ny heviny sy hitondrany ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy nilan’ity Direction Collégiale Arema ity fankatoavana avy amin’ny filoha Didier Ratsiraka io fanapahan-kevitra noraisiny io, araka ny fanazavana azo. «Ny mpikambana rehetra no niara-nanapaka», hoy ny loholona Robert Razaka mba hisorohana ilay fifampiandrasan-dava eo amin’ny tsirairay izay mety hitera-doza ho an’ny firenena. Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Motel Anosy no nahafantarana izany omaly alatsinainy, izay nifanindran-dalana rahateo tamin’ny fampahafantarana ny fijoroan’ity Direction Collégiale ity. Hanafoanana ny filazana na fanaovana sonia ataona olon-tokana amin’ny anaran’ny antoko no antom-pijoroany.

Tsiahivina fa notsindrian’ity antoko ity manokana ny mikasika ny tokony hanafohezana ny fotoana hitondran’ny FAT mba hisorohana ny fahaterahan’ny krizy vaovao hafa anatin’ny krizy efa misy iainan’ny firenena ankehitriny. Novoaboasany ihany koa ny andraikitra miandry ny tetezamita dia ny fanaovana ny fampiharana ny politika tsy manilika ary tenierana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanohizana sy fanatsarana ireo atrikasa in-droa miantoana efa natao teny Vontovorona, ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny fomba azo antoka sy mangarahara ary demokratika raha notsipahin’izy ireo marindrano kosa ny fanaovana foto-drafitrasa lehibe amin’ny fotoanan’ny krizy tahaka izao izay fahita any amin’ny tany misy fitondrana jadona. Raha manaiky ity Direction Collégiale ity fa ny Amiraly no raiamandrenin’ny antoko, nefa manapa-kevitra tsy miera dia midika io fa mipatitaka tsikelikely ihany koa ity antoko ity, toy ny fisian’ny elatra Pierrot Rajaonarivelo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT