AMF

3FM Tsy fitiavan-tena no hitondrana ny firenena


  • Alarobia 08 Septambra 2010


Tsy mitombina fa letrezana ny fanaovana fihaonambem-pirenena ny 13 septambra ho avy izao, hoy ny rév. Andrianalijohn Andriamanampy nanoloana ny mpanao gazety omaly. Tsy tokony hatao toy izao, hoy izy ny fitondrana ny firenena, indrindra taorian’ny fanonganam-panjakana. Famadihana ny firenena hiverina amin’ny fanjanahantany no tadiavina hatao, hoy ihany i Satrobory nanamafy. Tsy misy fitoniana politika eto amintsika, hoy izy, kanefa hoe hifampidinika. Ho an’ity antoko ity izay ao anatin’ny Union for Democratic Process, ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana ihany koa dia mila fiaraha-manoman’ny hery rehetra izany fihaonambem-pirenena na koa fitsapan-kevi-bahoaka izany hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena, hiala amin’ny fahantrana vokatry ny fanonganam-panjakana. Tsy amin’ny alalan’ny fitiavan-tena, hoy i Satrobory no hitondrana ny firenena. Ho azy ireo dia anisan’ny fepetra takiana mialoha izay ho dinika hatao ny famoahana ireo gadra rehetra sy ny fiverenan’ireo sesitany.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT