Politique

Tiako I Madagasikara Misy misoloky sy misandoka andraikitra


  • Talata 07 Septambra 2010

Manao ranolava ny fanambarana avy amin’ireo sampana velona eo anivon’ny antoko Tiako I Madagasikara, na eto an-toerana na ny any ivelany, manameloka ny fisandohana andraikitra sy ny fisolokiana ny antoko nataon’ny andian’olona, notarihin-dRaharinaivo Andrianatoandro, nivory tao amin’ny Espace de Verre ny alarobia 25 aogositra lasa teo.

Omaly izao dia nilaza mazava tamin’ny fanambarana an-tsoratra natao tao parisy ny TIM Eoropa, tarihin-dRtoa Patricia Lehmann sady filohan’ny TIM Soisa sy France Voisine ihany koa, fa «ny biraon’ny Tiako I Madagasikara Eoropa sy ny fikambamana Tiako I Madagasikara rehetra manerana an’i Eoropa dia tsy nandefa iraka na nanome alalana olona hisolotena na hitondra teny azy amin’ny fivoriana rehetra tarihan-dRaharinaivo sy ny tariny». Hentitra ny fanambaran’ny TIM Eoropa fa dia mitsipaka tanteraka ny tetika hampisarahana ny antoko Tiako I Madagasikara ataon-dRaharinaivo izy ireo, fa kosa «manohana tanteraka ny ezaka ataon’ny filoha voafidim-bahoaka Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy hamoahana ny firenena amin’ny krizy lavareny izao». Ny loholona Naika Eliane, sady filoha lefitry ny Vehivavy TIM, koa tamin’ny fanambarana nataon’ity sampan’ny antoko ity dia nilaza fa «manameloka ny fisandohan’andraikitra sy ny fisolokiana ny antoko Tiako I Madagasikara ataon’ny tari-dRaharinaivo» izay nambarany fa tsy mikendry afa sy ny hampiraviravy tanana ny mpikambana. Nahitsy teny koa Rtoa Naika Eliane nilaza fa «sady tsy mahasolotena velively ny TIM ingahy Raharinaivo no tsy natao ho amin’izany koa. Olom-baovao ao amin’ny antoko avokoa ny ankamaroan’ireo miara-dia sy manodidina an-dRaharinaivo, mpanao politika mpivadibadika palitao tsy mikatsaka afa tsy ny tombontsoany».

Ingahy Bary Rafatrolaza, Consul général tao Cape Town Afrika Atsimo teo aloha, ary miara-dia amin-dRaharinaivo moa no nilaza nandritra io fivoriana teny Ankorondrano io fa hatramin’ny sampana faha-23-n’ny antoko dia ny TIM Eoropa no voasolotena tamin’ny fivoriana ary manohana ny fametrahana an-dRaharinaivo ho filoha mpitantana ny TIM. 19/23 aza moa no voalaza fa mankato io rafitra io. Mazava anefa ny resaka ankehitriny fa dia fisolokiana sy fisandohana andraikitra ranofotsiny no tao ambadik’iny raharaha iny. Fantatra fa dia betsaka tamin’ireo voalaza fa mpanara-dia an-dRaharinaivo koa no latsa-panenenana ka mikaro-kevitra hiverin-dalana satria matahotra ny hotsarain’ny vahoaka nifidy azy ireo avy ho mpamadika tanindrazana.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT