• Alarobia 29 Septambra 2010
Politique.Fihaonambem-pirenen’ny FAT Mitsipaka ny demokrasia, hoy ny GTT IDF

Vola hatrany amin’ny roa miliara ariary tany ho any no lanin’ny Raiamandreny Mijoro sy ny FAT nanaovana iny karazana fihaonambem-pirenena teny Ivato farany teo iny, araka ny ampamoaka nataon’ny vondrona GTT IDF.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 29 Septambra 2010
Politique.Grevy eny Ankatso Nandefasana mersenera handrava

Ny tolakandron’ny alatsinainy 27 septambra 2010 dia nentina nisotrosotro sy nihinan-kinana tao amin’ny toerana iray tsy lavitra ny Ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony etsy Tsimbazaza ny mpianatra am-polony maro ary nozaraina vola mba hanohitra ny Fitokonana ataon’ny mpandraharaha eny Ankatso, hono.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 29 Septambra 2010
Politique.Vakinankaratra - fametrahana PDS May volon-tratra ny Lehiben’ny faritra

May volon-tratra tanteraka ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Razanakolona Paul, manoloana ny fehin-kevitra tapaka farany teny Ivato mahakasika ny fanoloana ny lehiben’ny faritra sy ireo Ben’ny tanàna ho PDS ka namory maika ireo Ben’ny tanànany manerana an’i Vakinankaratra ny zoma 24 septambra teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 29 Septambra 2010
Politique.Kajikajy politika Misavorovoro ny mpanohana an’i Andry Rajoelina

Ny fampitambarana ny hery no zava-dehibe amin’izao fotoana, indrindra fa mandritra ny fifidianana araka ny hevitr’i Heriniaina Razafimahefa filohan’ny antoko Fanarenana, izay ao anatin’ny UDR na ilay vondron’antoko manohana ny fitondrana FAT.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 29 Septambra 2010
Politique.Komity fakan-kevitra momba ny lalàmpanorenana Mangalatra “départ” manao propagandy ?

Taorian’ny fanolorana ny tolokevitra momba ny volavolan-dalàmpanorenana tamin’ny filohan’ny FAT sy ny praiministra dia hiroso amin’ny dingana manaraka ny avy ao amin’ny komity fakan-kevitra momba ny fifidianana (CCC) dia ny fitetezam-paritra ho fampahafantarana ilay lalàmpanorenana aroso holanian’ny vahoaka amin’ny 17 novambra.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 29 Septambra 2010
Politique.Fitokonan’ny mpitsara Tsy maharesy lahatra ny olon-tsotra

Hifarana anio ny fitokonan’ireo mpitsara mivondrona ao anatin’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM), fitakiana tambinkarama sy fampiharana ny didim-panjakana nivoaka tamin’ny novambra 2008 mikasika ny tombontsoan’ny mpitsara moa no anton’ity fitokonana fanairana ity.

Hamaky ny tohiny
FTT