Politique

Fihaonambem-pirenen’ny FAT Mitsipaka ny demokrasia, hoy ny GTT IDF


  • Alarobia 29 Septambra 2010

Vola hatrany amin’ny roa miliara ariary tany ho any no lanin’ny Raiamandreny Mijoro sy ny FAT nanaovana iny karazana fihaonambem-pirenena teny Ivato farany teo iny, araka ny ampamoaka nataon’ny vondrona GTT IDF.

Tsy mifanaraka araka izay voasoratra ao amin’ny satan’i Maputo anefa ny tsoa-kevitry ny fihaonambe, hoy ihany ity vondrona ity. Fihaonambe izay ambaran’ny GTT IDF fa mandeha ila ihany ary tsy ankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ho an’ny GTT IDF dia mitsipaka ny demokrasia ny hevitra navoakan’io fihaonambe io, anisan’izany ny fikasana hanoloana ireo Ben’ny tanàna ho PDS. Manoloana izany indrindra àry dia melohin’ny GTT IDF iny fihaonambe izay tsy nandraisan’ny rehetra anjara iny. Ho azy ireo, izay fihaonambe karakarain’ny CNOSC izay tohanan’ny SADC ihany no azo ekena.

Etsy andanin’izany, valin’ny taratasy nalefan’ny GTT IDF ireny tsy namelan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny iraky ny FAT, notarihin’ny amiraly Hippolyte Ramaroson, handray fitenenana nandritry ny fivoriambe faha-65 eo anivon’ny Firenena Mikambana amin’ny maha mpanongam-panjakana azy ireny, toy izay nihatra tamin’i Andry Rajoelina ny taona 2009. Nohamafisin’ny GTT IDF fa dia mbola manan-kery ary mihatra amin’ireo mpanongam-panjakana ny sazy sy ny fepetra noraisin’ny Firaisambe Afrikanina nanomboka ny volana martsa 2010. 

 Nangonin’i Soa  
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT