Ny fampitambarana ny hery no zava-dehibe amin’izao fotoana, indrindra fa mandritra ny fifidianana araka ny hevitr’i Heriniaina Razafimahefa filohan’ny antoko Fanarenana, izay ao anatin’ny UDR na ilay vondron’antoko manohana ny fitondrana FAT.
Nanamafy izy fa kandida iombonana no hatolotry ny UDR amin’ny faritra izay misy azy amin’io fifidianana Ben’ny tanàna ny 20 desambra io. Midika izany fa tsy hisy handeha amin’ny anarany manokana ireo antoko fa dia hiara-dalana ka hametraka kandidan’ny marimaritra iraisana. Fomba efa natao teto izany tamin’ny andron’ny KMMR ka niarahan’ireo antoko nanohana ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ny taona 2002. Tsy tafiditra ao anatin’ity resaka ity kosa anefa ny TGV fa dia hanolotra ny kandidany manokana, tsy dia misy olana firy izany araka ny fahitan’ny ao amin’ny UDR azy, ary nilaza moa Atoa Heriniaina Razafimahefa fa afaka mandeha irery ireo antoko mihevitra azy fa lehibe sy matanjaka dia ho hita eo izay avoakany. Hita taratra amin’izao tranga izao fa manomboka misavorovoro ireo mpanohana an’i Andry Rajoelina ary samy efa manana ny kajikajy politikany amin’ny fakana ny seza, mibaribary be izao fa ady seza no tena mahamaika ny ankamaroan’ireo mpanao politika na ny efa zatr’ady io, na ireo vao misandratra. Mazava ihany koa izao fa tsy mifankahazo sy tsy mitovy fomba fijery amin’ireo antoko politika hafa manohana ny tetezamita ny TGV ary miezaka ny mametraka ny toerany eo amin’ny tontolo politika.
Tsy vitsy anefa no mahita fa karazana famonoan-tena ihany no ataon’ity antoko ity satria tsy mbola ampy traikefa ireo mpitarika ary mpijapy lamasinina ny ankamaroan’ireo mpikambana. Manampy izany rehetra izany dia toa manadino sahady ny TGV fa tsy tafakatra teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina raha tsy nisy ny fanampian’ireo mpanao politika maro be, izay efa nanohitra hatry ny ela ny fitondrana Ravalomanana. Ahiana, araka izany, ny hampifandramatra azy ireo, noho ny ady seza, ka hanalefaka ny herin’ny fitondrana tetezamita tarihin’i Andry Rajoelina izany no tena hanaratsy endrika azy raha toa ka hilatsaka hofidiana filoham-pirenena ihany izy. Dia mety hiverina indray ny tsy nety teo aloha satria tsy matanjaka ny fototra ijoroan’ny antoko eo amin’ny fitondrana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.