Taorian’ny fanolorana ny tolokevitra momba ny volavolan-dalŕmpanorenana tamin’ny filohan’ny FAT sy ny praiministra dia hiroso amin’ny dingana manaraka ny avy ao amin’ny komity fakan-kevitra momba ny fifidianana (CCC) dia ny fitetezam-paritra ho fampahafantarana ilay lalŕmpanorenana aroso holanian’ny vahoaka amin’ny 17 novambra.
Araka ny fanazavan’Atoa Florent Rakotoarisoa, filohan’ny CCC dia fanazavana ara-teknika madiodio no ataon-dry zareo fa tsy misy idiran’ny resaka politika mihitsy. Ho an’ny maro anefa dia efa endrika propagandy hampandaniana ny ENY sahady izao ataon’ny CCC izao satria mazava be ny resaka fa ny lafiny mety sy tsara ao amin’ny lalàmpanorenana izay narafitr’izy ireo taorian’ny nandinihana ireo tolokevitra 300 mahery sy ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ny fihaonambem-pirenena ihany no hovoaboasan’ireo mpikambana ao amin’ity komity ity amin’ny fitsidiham-paritra ataony. Tsy hisy mihitsy, araka izany, ny tsikera na fanamarihana, fa dia mandeha ila tahaka ny zava-drehetra misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana ny hetsika. Manahy ary ireo mpanara-baovao fa sao dia tafiditra ao anatin’ny sangodim-panina politika ihany koa ny CCC na dia mandà mafy izany aza. Raha ny tokony ho izy dia ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra izay voasoritry ny lalàna mazava no hanaovana izany fampahafantarana ny momba ny volavolan-dalampanorenana aroso ny fitsapan-kevi-bahoaka izany, na ho an’ireo manaiky io na ho an’ireo mitsipaka.
Tsy tokony hisy mihitsy mialoha io fotoana voafaritra hanaovana ny propagandy io ny endrika fampahafantarana mivantana na ankolaka ilay lalàmpanorenana vaovao io, na iza na iza manao izany. Ny tena marina dia mitsahatra tamin’ny fotoana nahavitany ny fandravonana ny hevitra rehetra voaray momba ny volavolan-dalàmpanorenana ny asan’ny CCC, satria izay no maha komity fakan-kevitra azy. Tsy andraikitr’ity komity ity mihitsy ny mitety faritra hanazava ny lalàmpanorenana, satria komity fakan-kevitra izy, fa tsy komity fanazavan-kevitra. «Atao ahoana moa fa efa mifamadika daholo ny zava-drehetra eto amintsika amin’izao fotoana, hany ka tsy fantatra intsony hoe iza no manao inona», hoy ny mpanara-baovao politika iray momba ity raharaha CCC ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.