Ny tolakandron’ny alatsinainy 27 septambra 2010 dia nentina nisotrosotro sy nihinan-kinana tao amin’ny toerana iray tsy lavitra ny Ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony etsy Tsimbazaza ny mpianatra am-polony maro ary nozaraina vola mba hanohitra ny Fitokonana ataon’ny mpandraharaha eny Ankatso, hono.
Tao ireo Mpianatra fanta-daza amin’ny fandrehetana na famonoana afo (grevy) eny Ankatso. Misy aza ny sasany efa tsy mpianatra eny amin’ny Oniversite intsony fa dia manararaotra sitrany ahay vaza-mihetsika. Tena mpikarama an’ady araka ny fitenenana. Ny tanjona moa dia ny hisian’ny fifandonana eny amin’ny Oniversite ka hanasoketana indray ireo mpitarika ho mpanakorontana araka ny «film» efa mahazatra.
Omaly talata maraina ary dia tonga tokoa ireo mpianatra ireo ary niezaka nifandona tamin’ny mpandraharaha. Nanao andiany tokony ho 50 eo izy ireo ary niantsoantso mba hamohana ny vavahady. Novahan’ny mpandraharaha ny vavahady mba hidiran’izy ireo ary vao tafiditra izy ireo dia nakatona indray. Mailo ny mpandraharaha, hany ka nandamoka ny vola lany nanakaramana ireto andian’olona ireto mba hampisy fifandonana.
Mahalasa eritreritra ihany ny zava-misy raha izany no fomba itaizana ny tanora eto amintsika. Kolikoly politika ve no hamahana ny olana ? Manginy fotsiny ny famafazana tsaho ilazana fa mety ho avy amin’ireo olona sesitany politika no ao ambadik’ireo grevy mitranga etsy sy eroa izao. Mahagaga ! Sakafo miditra ao am-bava ve no itsivalanana tsy omena dia hiandrasana olona any lavitra any ny fitakiana azy ? Olona mba manana hazondamosina sy ny maha izy azy rahateo izany mpitsara sy mpampianatra any amin’ny Oniversite izany ka tsy ho baikon’ny avy any ivelany vao hahalala ny hataony. Raha izao no mitohy dia betsaka no ho diso fanantenana eto rehefa tonga ny fotoana tsy hahafahany mampiteny ny vola sy ny basy intsony. Hita anefa fa efa matotra rahateo ny ankamaroan’ny vahoaka ka tsy mandaitra intsony ny kolikoly politika. Tahaka izay niseho omaly Talata teny Ankatso, ohatra, dia tsikaritra fa tsy teny ny ankabeazan’ireo tanora nandray vola fa vitsy ihany no nanatanteraka ny baiko teny. Ity tokoa no tonga amin’ilay fitenenana hoe : «hano fa adala tompo fa ny hevitrao aza amidy na sandaina vola». Inoana fa ho marina izany fitenenana izany amin’ny fifidianana ho avy eo raha tena fifidianana tena mangarahara tokoa no hatao.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.