Hifarana anio ny fitokonan’ireo mpitsara mivondrona ao anatin’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM), fitakiana tambinkarama sy fampiharana ny didim-panjakana nivoaka tamin’ny novambra 2008 mikasika ny tombontsoan’ny mpitsara moa no anton’ity fitokonana fanairana ity.
Noho izany indrindra dia maro ireo raharaham-pitsarana nahemotra amin’ny daty manaraka, izay mbola tsy fantatra, ka maro ihany koa ireo olona sosotra sy nimenomenona teny Anosy teny omaly. Teo no nivoaka ny fanehoan-kevitra isan-karazany, toa ny an’ity renim-pianakaviana iray izay tsy nihambahamba nilaza fa : «tsy menatra mihitsy mitaky tombontsoa ara-bola ny mpitsara eto amintsika, nefa efa mpanakarena ny ankamaroany. Tokony hampiseho amin’ny vahoaka aloha ny mpitsara fa tena miasa marina izy ireo ary mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny ka hipoitra ny tena marina. Ny manahirana anie eto amintsika dia izay be vola ihany no mahazo rariny eo anivon’ny fitsarana e ! Ka raha izaho manokana aloha dia tsy mankasitraka ity fitakiana tambinkarama ataon’ny mpitsara ity e !».
Tsy mifanalavitra amin’izay ihany koa ny nambarana raim-pianakaviana iray : «anisan’ny lohalaharana amin’ny fanaovana kolikoly ny fitsarana, maro ny mpisatra tafiditra ao anatin’izany ; hita mibaribary ihany koa fa manaiky atao fitaovana politika ny fitsarana eto amintsika, tsy mbola nisy mihitsy fahasahiana avy amin’ny fianakaviamben’ny mpitsara nijoro ka nilaza ny tsy mety nataon’ireo mpitondra nifandimby izay nibaiko ny fitsarana araka ny filan’izy ireo avy. Ka moa ve mendrika hahazo fampitomboana tambinkarama ny olona tahaka izany ?».
Tahaka izay amin’ny ankapobeny ny hevitr’ireo olom-pirenena tsotra momba ity fitakian’ny mpitsara ity. Araka izany dia maro be ny fanadiovana tokony hatao eo anivon’ny fitsarana Malagasy fa tsy tokony hifantoka be loatra any amin’ny fampitomboana ny karama na tambinkarama ny famahana ny olan’ny mpitsara sy ny fitsarana. Efa mibaribary tamin’ny tranga rehetra nisy teto fa mamaha amin’ny ampahany fotsiny, ny olana iray ny vola ary mety hiteraka olana maro hafa indray aza ny fanompoana azy !
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.