May volon-tratra tanteraka ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Razanakolona Paul, manoloana ny fehin-kevitra tapaka farany teny Ivato mahakasika ny fanoloana ny lehiben’ny faritra sy ireo Ben’ny tanŕna ho PDS ka namory maika ireo Ben’ny tanŕnany manerana an’i Vakinankaratra ny zoma 24 septambra teo.
Nisy fanambarana iraisana navoakan’izy ireo milaza fa tsy manaiky ny fametraham-pialana mialoha ny fifidianana fa kosa rehefa manomboka ny fampielezan-kevitra vao maka «disponibilité» ireo izay mera milatsaka hofidina. Tsy midika, hoy izy fa mitsipaka ny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny FAT fa kosa tsy manaiky hesorina fotsiny amin’izao izy ireo ary mbola sahy nilaza ihany koa anefa fa vonona hiala raha toa ka tsy maintsy esorina. Tsapa tamin’ity fihaonana ity fa mamy indray ilay seza raha ny fahitana ny fihetsik’ity lehiben’ny Faritra Vakinankaratra ity no jerena, kanefa izy dia anisan’ireo niady mafy ny fanalana ny Ben’ny Tanàna Ramalason Olga, saingy toa hiantefa any aminy sahady ny valin-kafatra nefa ny nesorina toa mbola miasa tsara ara-dalàna. Mandeha aza ny feo fa tsy azoazon’ny TGV ao Vakinankaratra ingahy lehiben’ny Faritra.
Araka ny fantatra dia tsy anisan’ireo nanolotra azy ho lehiben’ny faritra tamin’ny fotoan’androny ity fikambanana ity ary efa manana olona tiana hapetraka eo amin’izao fotoana ary azo antoka fa raha miseho ny fanoloana dia hihanjahanja amin’izay izy fa tsy misy fikambanana hanolotra intsony ka izay no mampiady mafy azy sy mitaona ireo Ben’ny tanàna hanohitra ny fikasana hanoloana ireo Ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny faritra. Anisan’ny maha saro-toerana ity lehiben’ny faritra ity io fifandraisana marisarisa eo aminy sy ny TGV, izy rahateo araka ny fantatra dia nanangana fikambanana azy manokana ary io no voiziny mafy eran’i Vakinankaratra fa ny TGV mangingina na dia voizina mafy amina onjam-peo tsy miankina iray ao Antsirabe aza fa hoe : “fikambanana miasa no sady an’ny Filohan’ny FAT», ary mbola lazaina koa fa tohanan’ny fikambanana maro.
Ny tsapa anefa amin’izao fotoana raha ny ao Antsirabe ao dia efa manomboka manao fanafanan-tena ihany koa ao amin’ity haino am-jery ao antsirabe ao ity ny Leader Fanilo sy ny UDR ary tsapa fa ho difotra tanteraka ny TGV, satria tsy azo atao ambanin-javatra ihany koa fa mbola manana ny toerany tanteraka ny Antoko TIM raha ny ao Vakinankaratra ao no resahina ary efa vonona hiatrika ny fifidianana izay ho avy eo rehefa mazava ny fitsipi-dalao. Ho henjana, araka izany, ny lalao fiadian-toerana ao Vakinankaratra ao raha fifidianana no resahina ka izay angamba no mampifikitra ny Lehiben’ny Faritra sy ireo Ben’ny Tanàna sasantsasany tsy manaiky hesorina raha ny fandehan’ny tantara no zohina. Na tsy mbola misy fampielezan-kevitra aza moa dia efa fantapantatra avokoa ireo mety ho soavaly be tongotra raha ny ao Vakinankaratra ao amin’izao fotoana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.