• Zoma 08 Oktobra 2010
Politique.Lalàmpanorenan’ny FAT Bye bye Pastera Mailhol

Mpanao politika maro sy mpandinika politika no miray feo fa lalàmpanorenana natao hanilihana olona iray, mba hahafahana mametraka olona iray hafa hanjaka, ity hisisihan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita haroso hitsapana ny hevi-bahoaka amin’ny 17 novambra ity.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 08 Oktobra 2010
Politique.Fitoniana politika Nofinofy raha mbola zavontany ny antoko eo

Maniry toy ny anana ny antoko politika eto Madagasikara. Ny tsikaritra dia rehefa mandalo krizy, na koa akaiky fifidianana no mampiforona izao karazan’antoko samihafa izao. Teo anelanelan’ny volana aprily 2009 sy faran’ny volana aogositra 2010 fotsiny ohatra dia 47 be izao no indray nitsangana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 08 Oktobra 2010
Politique.Mananara Avaratra Leo ny vahoaka

Delegasiona mafonja notarihin’ny Profesora Albert Zafy no tonga namangy ny vahoakan’i Mananara ny Alakamisy 7 oktobra 2010.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 08 Oktobra 2010
Politique.Parlemantan’ny tetezamita Hivory avy hatrany ny 11 oktobra 2010

Nankatoavin’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana, araka ny didy fanapahana laharana faha-09-HCC/D3 ny 07 oktobra 2010, ny didy hitsivolana laharana faha-2010-010 mikasika ny fananganana ny Parlemantan’ny tetezamita, izay ahitana ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 08 Oktobra 2010
Politique.TIM Antsirabe I Haneho ny heriny

Manomana hetsika goavana ny antoko Tiako I Madagasikara, distrikan’Antsirabe I. Hifamory ao amin’ny efitrano malalaky ny hotely DIATANA, Route d’Ambositra, izy ireo rahampitso. Hetsika faharoa hataon’ity rafitry ny antoko naorin’ny filoha Marc Ravalomanana ity, io rahampitso sabotsy 09 oktobra io, hanehoan’izy ireo fa mifoha ary matanjaka izany antoko izany.

Hamaky ny tohiny
FTT