Politique

Mananara Avaratra Leo ny vahoaka


  • Zoma 08 Oktobra 2010

Delegasiona mafonja notarihin’ny Profesora Albert Zafy no tonga namangy ny vahoakan’i Mananara ny Alakamisy 7 oktobra 2010.

Vory lanona tokoa ny vahoaka, liana te hahalala ny vaovao mahakasika ny Ankolafy Telo sy ny tena marina mikasika ny tsy nampiharana an’izay efa nosoniavina hametrahana ny tetezamita iaraha-mitantana, iombonana ary andraisan’ny rehetra anjara, dia ny Satan’i tetezamita niharan’ny filohan’ny Ankolafy Efatra nanao sonia, teo imason’izao tontolo izao, tany Maputo (08 aogositra 2009) sy Addis Abeba (06 novambra 2009). Tsy voaresaka tao anatin’ny kabary, sady tsy nametrahan’ny vahoaka fanontaniana, tao anatin’ny fandraisam-pitenenany akory, ny mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka homanin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Nibahana kokoa tao amin-dry zareo mantsy ny olana fototra mahakasika ny fitrandrahana ny bolabola na “bois de rose” any amin’iny faritr’i Mananara Avaratra iny. Mahagaga hoy izy ireo, “tsy azo eritreretina akory ny haben’ny vola azo amin’ity hazo avy aty aminay ity kanefa ny fari-piainanay, ny tanànanay indrindra indrindra ny lalana mankaty dia tena ratsy dia ratsy avokoa”. Noho izany, ny fialan’i Andry Rajoelina no nabaribarin’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny sora-baventy.

Nanazava ny mikasika an’izay ny fifandimbiasam-pitenenan’ny solontenan’ny Ankolafy Telo. Ny tsy fahafehezam-panjakana, hoy ry zareo no mahatonga ny tsy fahalavorarian’ny fitsinjarana ny vokatry ny fitrandrahana ny harem-pirenentsika. Nidina nijery mivantana ny habetsahan’ny bolabola voatapaka ary vonona haondrana ny delegasionina notarihin’ny Profesora Albert Zafy avy eo. 800 taonina eo ny hazo efa voatapaka hita.
 
 Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT