Manomana hetsika goavana ny antoko Tiako I Madagasikara, distrikan’Antsirabe I. Hifamory ao amin’ny efitrano malalaky ny hotely DIATANA, Route d’Ambositra, izy ireo rahampitso. Hetsika faharoa hataon’ity rafitry ny antoko naorin’ny filoha Marc Ravalomanana ity, io rahampitso sabotsy 09 oktobra io, hanehoan’izy ireo fa mifoha ary matanjaka izany antoko izany.
Araka ny fantatra dia ho avy maro, hanao rodobe amin’io fihaonana io ireo sefo Fokontany ao Antsirabe, handray toromarika hiatrehana ny raharaha politika izay toa misamboaravoara be ihany eto an-toerana. Hita ho mikoropaka ny ao amin’ny Faritra Vakinankaratra manoloana izany. Re izao fa dia nentina tampoka any Foulpointe any ireo Ben’ny tanàna ao Vakinankaratra. Niainga omaly izy ireo. Asa moa na fotoanan’izany izao, indrindra fa ato anatin’ny fampielezan-kevitra momba ny lalàmpanorenana ny mpitondra FAT. Sa tsy mahakasika ny Faritra izany ? Mitsingilahila rahateo koa moa ny toeran’ny Lehiben’ny Faritra taorian’ilay fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro sy ny vondron’olom-pirenena Finoana, teny Ivato ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra 2010, izay nanapahan’ny mpizaika fa esorina avokoa ireo Lehiben’ny Faritra miisa 22 ary soloina administratera sivily, araka ny tolokevitry ny mpizaika ihany. Tsy nambara mazava aloha ny anton-dia fa tombantombana ny an’ny maro, ankoatra ny fitsangantsanganana dia hamboarina hampandany ny ENY ireto Ben’ny tanàna ireto.
Etsy ankilany dia re fa miantso ireo sefo Fokontany koa ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana mba hiofana, mahakasika ny fametrahana fandriampahalemana (?) fa indrindra ny fampandaniana ny ENY. Ho an’ny mpanara-maso politika anefa dia tsy tongatonga ho azy na fifanojoan-javatra fotsiny ihany izao, fa mba hanaparitahana ireo tomponandraikitra eny amin’ny vondrombahoakam-paritra mba tsy ho avy hanao rodobe amin’io hetsika karakarain’ny Tiako I Madagasikara, Antsirabe I, io. Ny zava-mitranga rahampitso anefa no hanamarina na handiso izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.