Politique

Lalŕmpanorenan’ny FAT Bye bye Pastera Mailhol


  • Zoma 08 Oktobra 2010

Mpanao politika maro sy mpandinika politika no miray feo fa lalŕmpanorenana natao hanilihana olona iray, mba hahafahana mametraka olona iray hafa hanjaka, ity hisisihan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita haroso hitsapana ny hevi-bahoaka amin’ny 17 novambra ity.

Raha i Marc Ravalomanana anefa no tadiavina kendrena anatin’ity volavolan-dalàmpanorenana ity, noho izy nampivady ny asan’ny filoham-pirenena amin’ny asan’ny filoha lefitry ny FJKM (tsy voararan’ny lalàna rahateo izany), dia tratra koa ny hafa raha raikitra ihany io fitsapan-kevi-bahoaka io ka lany ny ENY. Ny andininy faha-49 ao mantsy dia milaza fa “ny asan’ny Filohan’ny Repoblika dia tsy azo ampirafesina amina asam-panjakana nahavoafidim-bahoaka, asa aman-draharaha hafa, asa ao anatin’ny antoko politika, vondrona politika, na fikambanana, ary fisahanana andraikitra eo anivon’ny fikambanam-pivavahana. Izay rehetra fandikana ireo fepetra voalazan’ity andininy ity, voamarin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, dia zary ho antony amin’ny tsy fahafahana miasa tanteraka ho an’ny Filohan’ny Repoblika”.

Raha io no mihatra dia bye bye Pastera Mailhol, filoha mpanorina ny Fikambanana Apokalypsy eto Madagasikara, mieritreritra ny hitondra firenena amin’ny 2013 araka ny faminaniany. Raha tsy mametra-pialana mialoha ny fotoana koa i Lahiriniko Jean, mpitam-bola amperin’asan’ny Fiangonana Loterana Malagasy, tsy ho afaka hirotsaka ho kandida filoham-pirenena raha mbola manam-panirina ho amin’izany izy. Ampahany ihany reo !

 Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT