Politique

Parlemantan’ny tetezamita Hivory avy hatrany ny 11 oktobra 2010


  • Zoma 08 Oktobra 2010

Nankatoavin’ny Fitsarana Avo momba ny lalŕmpanorenana, araka ny didy fanapahana laharana faha-09-HCC/D3 ny 07 oktobra 2010, ny didy hitsivolana laharana faha-2010-010 mikasika ny fananganana ny Parlemantan’ny tetezamita, izay ahitana ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.

Araka io didy hitsivolana io dia hisy mpikambana 256 ny Kongresy, izay hotendren’ny filohan’ny FAT ary hivory avy hatrany ny mpikambana ao ny 11 ka hatramin’ny 26 oktobra 2010. Ny andro voalohany hivoriana, hifidianana ny filohany sy ireo filoha lefitra enina. Anisan'ny andraik’izy ireo ny mandany ireo lalàna hampisy fitoniana eto, araka izay tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena, ary koa handany ny lalàna hifehy ny tetibola 2011. Ny 19 novambra ka hatramin’ny 09 desambra ny fivoriana mahakasika izany, sady fotoam-pivoriana faharoan’ny Kongresy. Hisy mpikambana 90 kosa ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ary hanao ny asan’ny Antenimierandoholona. Ny filohan’ny FAT no manendry ny mpikambana ao. Fotoana miaraka no ivorian’ny Parlemanta. Raha zohiana amin’ireo tetiandro ireo, dia tsy maintsy tafatsangana mialoha ny faran’ity herinandro ity io Parlemanta io. Amin’ity didy hitsivolana ity dia te haneho ny FAT fa tsy voasakan’iza n’iza amin’ny fanapahan-keviny izy. Aiza ny vola hampandehanana izany ? Baraingo ny amin’io ?

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT