Maniry toy ny anana ny antoko politika eto Madagasikara. Ny tsikaritra dia rehefa mandalo krizy, na koa akaiky fifidianana no mampiforona izao karazan’antoko samihafa izao. Teo anelanelan’ny volana aprily 2009 sy faran’ny volana aogositra 2010 fotsiny ohatra dia 47 be izao no indray nitsangana.
Ny mahatsikaiky dia niforona teo anelanelan’ny 20 ka hatramin’ny 24 aogositra 2010, izany hoe tao anatin’ny hadimiana, ny 18 amin’ireo antoko ireo. Anisan’izany ny “Ezaka Nasionaly Iarahana (E.N.INA)” tarihin’ny Pr Alain Djacoba Tehindrazanarivelo, praiministra lefitra nisahana ny fahasalamana tao amin’ny governemanta Roindefo, nijoro ara-panjakana ny 20 aogositra 2010, toy izany koa ny “Inty Tanindrazana Ombonana Tsy Ambidy na Atakalo Liam-pivoarana (ITO.T.A.A.L)” tarihin’i Zakahely Boniface nijoro ny 23 aogositra 2010 araka ny fitanana an-tsoratra teo anivon’ny ministeran’ny atitany. Amin’izao dia efa roanjato mahery ny antoko politika mijoro eto Madagasikara. Fitoniana politika inona no hanjary amin’izany.
Samy mikendry fahefana sy fahefana, izany hoe toerana, ny mpitarika ireo dia ady saritaka sy mifanongana lava eto, rehefa tsy mahazo tombontsoa. Mbola hanome vahana izay fitsirian’ny antoko izay anefa raha ilay volavolan-dalàmpanorenana novolavolain’ny FAT, heveriny haroso hakana ny hevi-bahoaka ny 17 novambra 2010. Mazava ny voalazan’ny Andininy 14. “Zon'ny olona rehetra no mivondrona an-kalalahana ao anaty fikambanana, nefa tsy maintsy manaraka ny voalazan'ny lalàna. Toy izany koa ny momba ny zo hanangana antoko politika (…) Mandray anjara amin'ny fanehoana safidy ny antoko sy fikambanana politika”, sy ny Andininy 15. Milaza ho “manan-jo hilatsaka hofidina amin'ny fifidianana rehetra voalazan'ny Lalàmpanorenana ny olom-pirenena tsirairay rehefa voahaja ny fepetra takian’ny lalàna”. Sao dia mba fotoana izao hamerana ny isan’ny antoko, hisorohana ny fisavoritahana lava indray.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.