• Zoma 10 Desambra 2010
Politique.Masimana Manantsoa «Aza robaina ny demokrasia !»

Any Toliara manaraka akaiky ny raharaham-pirenena i Masimana Manantsoa, ministry ny atitany taloha tao anatin’ny governemanta Roindefo voalohany ary mpikambana ao amin’ny antoko Monima rahateo. Nisy ny tafa tamin’ny antso an-tariby, nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy araka izao manaraka izao.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 10 Desambra 2010
AMF.3FM Vonona hiatrika fifidianana Ben’ny tanàna

«Raha mbola hitokisan’Atoa Rajoelina ny 63% nomen’ny vahoakan’Antananarivo azy ho Ben’ny tanàna dia tokony handinika izy manoloana ny 38% monja amin’ny fahavitrihan’ny vahoaka nifidy tamin’ny referandaoma teto an-drenivohitra», hoy ny antoko AMF/3FM izay tarihin’ny rév. Andrianalijonh Ndriamanampy.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 10 Desambra 2010
Politique.Camille Vital Tsy sahy manao fanambaram-pananana

Mba tena hisian’ny fanjakana tsara tantana sy ny mangaraharaha tanteraka dia tokony samy hanao fanambaram-pananana avokoa ireo mpiasam-panjakana ambony manomboka eo amin’ny praiministra mandalo amin’ny mpikambana amin’ny governemanta, ny mpitsara, ireo mpanara-maso isan-karazany ka hatramin’ireo tale eo anivon’ny sampandraharaham-panjakana isantokony.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 10 Desambra 2010
Politique.Fananganana fotodrafitrasa Ny vahiny no andrasana hanome vola

Lany teo anivon’ireo andrimpanjakana mpanao lalàna ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana taona 2011. Amin’ny ankapobeny dia hisy fisondrotany ny harinkarena faobe ary hihatsara koa ny fidiram-bolam-panjakana amin’io taona ho avy.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 10 Desambra 2010
Politique.Raharinaivo Andrianatoandro Miantso fitoniana …

Nandritra ny lahateniny tamin’ny lanonam-pamaranana ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan’ny Kongresin’ny tetezamita omaly no nanambaran’Atoa Raharinaivo Andrianatoandro filohan’ity andrim-panjakana ity fa tokony mba ho tony ny firenena amin’izao vanim-potoanan’ny fety sy ny asaramanitra izao.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 10 Desambra 2010
Politique.Tsy tafavoaka ny FAT, dia Misambotra, misambotra hatrany …

Toarian’ny hetsika teny amin’ny kianjan’Alarobia ka hita fa mitady hahazo aina dia tadiavina «hotapahin-doha» indray ireo mpitari-tolon’ny Ankolafy Telo.

Hamaky ny tohiny
FTT