Politique

Fananganana fotodrafitrasa Ny vahiny no andrasana hanome vola


  • Zoma 10 Desambra 2010

Lany teo anivon’ireo andrimpanjakana mpanao lalàna ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana taona 2011. Amin’ny ankapobeny dia hisy fisondrotany ny harinkarena faobe ary hihatsara koa ny fidiram-bolam-panjakana amin’io taona ho avy.

2,8 % ny tahan’ny fisondrotry ny harinkarena faobe vinavinaina ka anisan’ny ahitana fihatsarana indrindra ny sehatry ny indostria sy fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Mihoatra ny 200 % mantsy ny fidiram-bola andrasana amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany noho ny fanombohan’ny tetikasa fanondranana nikela sy kobalta ataon’ny tetikasa Ambatovy. 2 900 miliara ariary moa ny totalin’ny vola heverina hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana noho izany. Eo amin’ny sehatry ny hetra dia ezahana ny hampiakatra ho 11,5 % ny tahan’ny fampidiran-ketra na raha 10,6% izany tamin’ity 2010 ity.

Tsy hisy anefa ny fampitomboana ny taha na koa ny isan’ny hetra halaina fa ny fanatsarana ny fomba fakana azy no himasoana. Hatsaraina koa ny fandraisana ny haba eny anivon’ny seranana raha ny fanazavan-dRajaonarimampianina Hery, ministry ny fitantanam-bola sy ny tetibola. Lelavola 2 311 miliara ariary indray no andrasana amin’io. Raha ny fandaniana indray no resahana dia 1 251 miliara ariary no omanina hampiasaina ao anatin’ny Fandaharanasa fampiasambolam-panjakana na PIP ka ny tetikasa sosialy sy fotodrafitrasa no hanana anjara be indrindra. Lelavola mitentina 40 miliara ariary no atokana amin’ireo fifidianana efatra hatao ny taona 2011 raha 100 miliara ariary kosa no aompana amin’ny tetikasa trano fonenana.

Eo amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa dia tsy misy afa tsy asa roa ihany no tena mivaingana dia ny fanatsarana ny “bassin de radoub” ao amin’ny orinasa SECREN Antsiranana sy ny famitana ny fanavaozana ny lalam-pirenena faha-44 mihazo an’Ambatondrazaka. Na izany aza dia tsy voalaza mazava ao anatin’ny fandaniam-bolam-panjakana 2011 avokoa ny maribola hatontona amin’ireo tetikasa ireo. Araka ny fantatra moa dia 55 miliara ariary no vola eo am-pelatanan’ny FAT momba ny fanarenana ny RN 44 izay tsy mahavita afa tsy ny lalana 10 km monja amin’ny lalana mirefy 157 km. Marihina fa famatsiam-bola avy any ivelany avokoa ny 61%-n’ny hampiasaina amin’ny Fandaharanasa fampiasam-bolam-panjakana raha ny fanazavana voarakitra amin’ilay antotan-kevitra mirakitra ny tetibolam-panjakana 2011. Mitotaly 763 miliara ariary amin’ny 1 251 miliara ariary izany. Araka izany dia tsy mbola azo antoka mihitsy ny hahazoana ireo vola rehetra andrasana mafy ireo satria hatramin’izao dia mbola nampihantona ny famatsiany avokoa ny ankamaroan’ireo firenena sy mpamatsy vola vahiny afa tsy ny BAD sy AFD.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT