AMF

3FM Vonona hiatrika fifidianana Ben’ny tanŕna


  • Zoma 10 Desambra 2010

«Raha mbola hitokisan’Atoa Rajoelina ny 63% nomen’ny vahoakan’Antananarivo azy ho Ben’ny tanŕna dia tokony handinika izy manoloana ny 38% monja amin’ny fahavitrihan’ny vahoaka nifidy tamin’ny referandaoma teto an-drenivohitra», hoy ny antoko AMF/3FM izay tarihin’ny rév. Andrianalijonh Ndriamanampy.

Miombon-kevitra amin’ny antoko Maitso, Hasin’i Madagasikara, ihany koa ity antokon’i Satrobory ity ny amin’ny hoe tokony ho Ben’ny tanàna voafidy no mendrika ny Lapan’ny tanàna. Tsy an’i Andry Rajoelina rahateo ny vola nanaovana izany fotodrafitrasa izany, araka ny fanazavana fa volam-bahoaka sy fanampiana avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana. Nambaran’ny rév. Andrianalijonh Ndriamanampy ihany koa fa tokony ho efa notanterahina ny fifidianana Ben’ny tanàna ho an’i Tolagnaro, Fianarantsoa, Antananarivo, Nosy Be ary Sainte Marie izay samy nametrahana PDS. Efa nisy rahateo lalàna momba izany navoakan’ny ministeran’ny atitany tamin’ny andron’i Monja Roindefo kanefa mandrak’androany dia tsy tanteraka izany.

Nambaran’ny AMF/3FM moa fa dia vonona hiatrika fifidianana izy ireo. Efa manana vinan’asa hotanterahina rahateo izy ireo, anisan’izany ny fanoloana amin’ny alalan’ny fifidianana ireo sefo Fokontany notendrena fahatany, ny fanamboarana tetezana hampifandray an’Antaninarenina sy Ambondrona, ny fanadiovana ireo tatatra rehetra, raha tsy hiteny afa tsy ireo. Manantena ny fiaraha-mientan’ireo mpanao politika ny AMF/3FM, tsy ho tia vola na hiady voninahitra fa hiatrika ny fahoriam-bahoaka izay tsy azo leferina intsony. 

Nangonin’i Soa
 
Sary : Rév. Andrianalijonh Ndriamanampy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT