Politique

Raharinaivo Andrianatoandro Miantso fitoniana …


  • Zoma 10 Desambra 2010

Nandritra ny lahateniny tamin’ny lanonam-pamaranana ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan’ny Kongresin’ny tetezamita omaly no nanambaran’Atoa Raharinaivo Andrianatoandro filohan’ity andrim-panjakana ity fa tokony mba ho tony ny firenena amin’izao vanim-potoanan’ny fety sy ny asaramanitra izao.

Nanao antso avo ho an’ny mpitondra ao anatin’ny tetezamita, ny mpanohitra, ny mpanao politika amin’ny ankapobeny ary ny vahoaka izy mba ho tony sy hilamina ary hanalavitra ny korontana sy ny savorovoro. Nanamarika ihany koa izy fa efa miroso izao fitondrana tetezamita izao ka tsy misy antony hiverenana any aoriana intsony fa ny fifanomezan-tanana amin’ny fametrahana vahaolana maharitra amin’ny krizy sy ny hidirana am-pilaminana ao anatin’ny Repoblika faha-4 no tokony hatao. Nanaovany pi-maso ihany koa ny sehatra iraisam-pirenena mba tsy hitazam-potsiny fa hanaiky amin’izay ny zava-misy eto Madagasikara, ka tsy hitarazoka amin’ny drafitra famahana olana izay hita fa efa tsy nahomby. Ny olana kely anefa amin’ity eritreritr’Atoa Raharinaivo ity dia mbola maro be ireo gadra politika, sivily sy miaramila any am-ponja amin’izao fotoana, mbola amin’ny taona vaovao ihany koa vao hodinihana ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka, ary mbola misy fanavahana koa aza izany.

Ka ahoana moa no hampitony ny rehetra amin’izany ? Efa misy ihany ireo fepetra noeritreretin’ny CST sy ny CT hametrahana ilay hoe fitoniana eto amin’ny tany sy ny fanjakana, saingy mbola miandry ny fivoriana tsy ara-potoana amin’ny 2011 izany fa tsy hihatra amin’ity faran’ny taona ity. Atoa Raharinaivo moa dia efa hatramin’ny volana mey 2010 tany ho any no nametrapetraka fa ilaina ny fametrahana ny fitoniana eto, ary tsy voatery handamina ny krizy ny resaky ny ankolafy efatra sy ny fiverenana an-tanindrazan’ireo filoha teo aloha. Fa ireo mpanara-baovao politika ihany koa dia lasa saina hoe : mbola tahaka izany ihany ve ny nambaran’ity mpanao politika ity raha toa ka tafaraka tany am-ponja niaraka tamin-dry Fetison izy, na tsy nahazo toerana ?

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT