Politique

Masimana Manantsoa «Aza robaina ny demokrasia !»


  • Zoma 10 Desambra 2010

Any Toliara manaraka akaiky ny raharaham-pirenena i Masimana Manantsoa, ministry ny atitany taloha tao anatin’ny governemanta Roindefo voalohany ary mpikambana ao amin’ny antoko Monima rahateo. Nisy ny tafa tamin’ny antso an-tariby, nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy araka izao manaraka izao.

Tia Tanindrazana (T.T) : Nahoraka hatraty an-drenivohitra ny fisian’izany taratasy mandrahona Merina izany, ahoana marina ny amin’izay ?

Masimana Manantsoa (M.M) : Tsy nahita maso izany taratasy izany aho, fa nisy nitatitra ny votoatiny milaza fa “Romotsy Toliara. Manome 24ora ny Merina sy Betsileo hiala …”. Tetika efa lany andro izany. Ary kanosa ihany koa ny nanao azy satria tsy mitonon-tena.

 
T.T : Mby aiza ilay raharaha Soatalily iny ?
M.M : Mbola any am-ponja ireo olona fito mianaka voampanga tamin’iny. Milaza ny mpanao famotorana fa tsy mbola mikatona ny dosie satria tsy hita ny Pr Elimberaza Mandridake. Tsy misy vesatra mazava itazonana azy ireo. Na ny mpiasan’ny radio Soatalily aza tsy nitana azy ireo tamin’ny fampifanatrehana natao farany. Mazava fa misy mampitazona tsotra izao azy fito ireo. Miharihary ny fanaovana fitaovana ny fitsarana, toy ny nampihariharian’i Andry Rajoelina izany tamin’ny famoahana ny valin’ny referandaoma. Ny alatsinainy 06 desambra no nambara fa hamoahan’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana ny vokatra ofisialy, ny sabotsy 04 desambra anefa dia efa natao mipoapoaka ny doka milaza ny fidirana amin’ny Repoblika fahefatra. Maninona raha mba nandrasana ny talata vao natao izany ?
 
T.T: Ny fahitanao ny fizotry ny raharaham-pirenena ?
M.M : Tsoriko fa mihemotra isika amin’ny fametrahana ny manjakavahoaka. Isan’ireo tonga voalohany teny Ambohijatovo aho ny 17 janoary 2009, nitokanana ny kianjan’ny demokrasia. Nambaran’i Andry Rajoelina tamin’izay fa raha mbola velon’aina dia malalaka ny fanehoan-kevitra. Ny atahorako dia ho maty ankaranany ny Repoblika faha-4 ka hiditra Repoblika faha-5 indray isika.
 
T.T : Mangina anefa ny MONIMA ?
M.M : Tsy mangina ny izahay, fa sakanana hivory. Porofo ireny teny amin’ny Boulevard de l’Europe ireny, noravaina tsotra izao ny sehatra saika hanaovan’i Monja Roindefo fanazavan-kevitra tamin’ny vahoakan’Antananarivo. Tsy mangina ary tsy hangina ny MONIMA raha tsy manjaka eto ny fahamarinana.
 
T.T : Raha miresaka vahaolana hivoahana amin’ny krizy, inona no arosona(re)o ?
M.M : Aza robaina ny demokrasia. Tsy vahaolana ny fananganana ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ka hilazana fa efa tetezamita iraha-mitantana io. Fisolokiana politika izany. Ndao hiroso amin’ny fifampidinihana hiaraha-mikaroka ny vahaolana ka hamaritana ny sori-dalana hametrahana ny tetezamita tena izy, hisian’ny tena fiandrianam-pirenena.
 
Nangonin’i Jean D.
Sary : Masimana Manantsoa, ministry ny atitany tao amin’ny governemanta Roindefo voalohany (Tahirin-tsary)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT