Toarian’ny hetsika teny amin’ny kianjan’Alarobia ka hita fa mitady hahazo aina dia tadiavina «hotapahin-doha» indray ireo mpitari-tolon’ny Ankolafy Telo.
Tsy nihambahamba mihitsy ny Kolonely Ravalomanana Richard nilaza omaly fa efa fantatra ireo olona ireo ary tsy miala amin’izay efa noeritreretin’ny mpitandro ny filaminana ihany raha ny momba ny anaran’izy ireo. Misy mihitsy aza ny fanamarihana fa efa nandefasana taratasy fampiantsoana izy rehetra ireo. «Rehefa tsy tonga izy ireo dia izahay no hisambotra», hoy ny kolonely. Mazava fa ny mpitari-tolona no tiany hambara amin’izany, na tsy notononiny anarana mivantana aza. Tao Alarobia rahateo no natao ny fisamborana ireo olona sasantsasany izay lazaina fa mpampihorohoro, hany ka tsy mahagaga loatra raha ny tian’ingahy Kolonely hahatongavana. Voamarina rahateo izany omaly satria raha araka ny fantatra dia efa nisy sahady ny fandefasana fiantsoana mba ho tonga eny amin’ny biraon’ny zandary ho an’ireo mpitari-tolona sasantsasany.
Nolazaina fa izy ireo no tao ambadiky ny resaka fametrahana baomba etsy sy eroa ary nolazaina ihany koa fa izy ireo no miketrika ny fanakorontanana ny fetibe entin’ny FAT misehoseho rahampitso sabotsy. Filma efa mandeha ihany izy ity. Ary raha tsikaritra aza dia isaky ny misy hetsika goavana na avy amin’ny andaniny na avy amin’ny ankilany dia hitadiavana dosie hatrany ireo mpitari-tolona mba entina hamonjana azy ireo. Tadiavina potehina tanteraka ny TIM ka ireo TIM mpamadika no drokidrokina omena toerana eo amin’ny fitondrana. Ny nahavariana, tamin’izany fotoana izany dia voalaza fa anisan’ireo mpanapoaka baomba Raharinaivo Andrianatoandro.
Nogadraina mihitsy izy ary mody nanao grevy tsy mihinan-kanina dia nampidirina hopitaly. Amin’izao fotoana izao lasa filohan’ny Kongresy, Andrim-panjakana eo anivon’ny FAT, mihitsy ity farany kanefa ny raharaha fanapoahana baomba mbola mitohy eny amin’ny fitsarana. Angamba tsy mpanapoaka baomba indray izy rehefa lasa filohana Andrim-panjakana. Rehefa miaraka amin’ny FAT dia tsy mpampihorohoro na dia tsy mbola nisy aza ny didim-pitsarana mikasika izany. Eo dia lazaina fa efa governemantan’ny firaisam-pirenena na koa fitondrana tsy jadona ny misy. Dia heverin’izy ireo angamba fa tsy manaraka ny zava-misy ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tadiaviny jonoina amin’ny filalaovana ny herisetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.