Politique

Camille Vital Tsy sahy manao fanambaram-pananana


  • Zoma 10 Desambra 2010

Mba tena hisian’ny fanjakana tsara tantana sy ny mangaraharaha tanteraka dia tokony samy hanao fanambaram-pananana avokoa ireo mpiasam-panjakana ambony manomboka eo amin’ny praiministra mandalo amin’ny mpikambana amin’ny governemanta, ny mpitsara, ireo mpanara-maso isan-karazany ka hatramin’ireo tale eo anivon’ny sampandraharaham-panjakana isantokony.

Ny filohan’ny repoblika ihany no tsy voakasik’io fepetra io. Eny anivon’ny Bianco no ametrahana ny antotan-taratasy mirakitra ny fanambaram-pananana ka ny taona 2005 no nampiharana izany voalohany. Raha ny tatitra navoakan’ny Bianco hatramin’ny faran’ny volana septambra 2010 teo dia zara raha nanao izany ireo tompom-pahefana ankehitriny. Feno herintaona amin’ny 20 desambra izao no nahavoatendry an’i Camille Vital ho praiministra saingy tsy hita soritra eny Ambohibao ny momba ireo fananany. Koa satria ny lohany aza tsy rototra dia tsy mahagaga raha vitsy koa ireo ministra no nanatitra ny azy teny amin’ny Bianco. Ministra 7 amin’ny 31 monja mantsy no nahavita izany fanambaram-pananana izany hatramin’izao.

Ho sarotra, araka izany, no amantarana raha nanao kolikoly na koa nanankarena tampoka ireo tomponandraikitra ireo mandritra ny fotoana maha tomponandraikitra ambony azy noho ny tsy fisian’io antotan-kevitra ahafahana manara-maso sy mitsara azy io. Tsetsatsetsa moa no ilazana fa nahavita ny fanambaram-pananany avokoa ireo praiministra mirahalahy nifandimby tamin’ny fitondrana Ravalomanana. 

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT