• Talata 25 Janoary 2011
Politique.Ralaiseheno Guy Maxime Tadiavina haato amin’ny asany

Mandeha be ny resaka fa miketrika ny fomba hanesorana amin’ny toerana amin’ny maha Ben’ny tanànan’Ankaraobato an-dRalaiseheno Guy Maxime ny ministeran’ny Atitany taorian’ny nigadrany roa volana teny Antanimora noho ny fanatontosana famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana teo amin’ny Esplanade Analakely ny sabotsy 20 novambra 2010.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 25 Janoary 2011
Politique.Roa andron’ny CNOSC Ny fanantenana no betsaka

Nifarana omaly alatsinainy tetsy Tsiadana ny roa andro natokan’ny vondron’ny fiarahamonina sivily Cnosc nifampitafatafana indray tamin’ireo ankolafy mpanao politika sy ireo sendika samihafa ary ireo vondrona fiarahamonina sivily hafa naman-dry zareo, amin’ny fikarohana lalana hamahana ny krizy mianjady eto amin’ny firenena ankehitriny.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 25 Janoary 2011
Politique.Henri Roger Ranaivoson Tena atokisan’i Marc Ravalomanana

Tsikaritra fa anisan’ireo mpikambana ao amin’ny delegasionin’ny ankolafy Ravalomanana nihaona tamin’ny SADC sy ny CNOSC tamin’ny herinandro lasa teo Atoa Henri Roger Ranaivoson, izay Chief of Staff tamin’ny fitondrana teo aloha ary anisan’ireo olona tena atokisan’Atoa Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 25 Janoary 2011
Politique.Camille Vital Mifikitra mafy amin’ny sezany

Tsy tongatonga ho azy tsy akory, araka ny fahitan’ny maro azy ny fanambarana nataona andiana manamboninahitra lefitra ny faran’ny herinandro teo, izay manohana ny hitazonana ny jeneraly Camille Vital eo amin’ny toeran’ny praiministra fa efa tena misy ambadika politika.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 24 Janoary 2011
Politique.Komity Firaisankina Hirohotra eny Antaninarenina anio

Rahampitso talata 25 janoary no hotsaraina izy telo mirahalahy mpitari-tolona ao amin’ny Ankolafy Telo dia i Fetison Rakoto Andrianirina, ny solombavambahoaka Zafilahy ary ny pastera Edouard.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 24 Janoary 2011
Politique.Filohan’ny Kongresy Efa maka toerana i Mamy Rakotoarivelo

Raha ny sary hita teny amin’ny FJKM Ambohipotsy omaly, nandritra ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana nanatanteranana ny famindram-pahefana amin’ny fitarihana indray ny FFKM, dia miha mazava ny resaka.

Hamaky ny tohiny
FTT