Politique

Ralaiseheno Guy Maxime Tadiavina haato amin’ny asany


  • Talata 25 Janoary 2011

Mandeha be ny resaka fa miketrika ny fomba hanesorana amin’ny toerana amin’ny maha Ben’ny tanŕnan’Ankaraobato an-dRalaiseheno Guy Maxime ny ministeran’ny Atitany taorian’ny nigadrany roa volana teny Antanimora noho ny fanatontosana famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana teo amin’ny Esplanade Analakely ny sabotsy 20 novambra 2010.

Raha ny re avy amin’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ity ministera ity dia efa maloto ny «casier judiciaire»-ny ka izay no antony mety hanaovana ilay fampiatoana. Araka ny efa nambarany tamin’ny sabotsy 22 janoary 2011, teo am-pivoahana ny fonja anefa dia niditra birao omaly ingahy Ralaiseheno Guy Maxime ary efa nitarika fivoriana niaraka tamin’ny filankevitra kaominaly ihany koa. Nohamafisiny indray fa mbola mijanona ho Ben’ny tanàna ny tenany rehefa nampiakatra Fitsarana ambony momba ny raharaha iampangana azy ny mpisolovavany. Nambarany koa fa tsy misy ny antontan-taratasy mampiato azy amin’ny asany hatreto.

«Raha sanatria misy izany taratasy izany dia tsy maintsy hitory eny amin’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana ny tenako. Tsara ho fantatra koa fa mbola izaho no nanasonia ny taratasy nametraka ny mpisolo toerana nandritra ny fotoana tsy naha teto ahy», hoy Ralaiseheno Guy Maxime. Momba ny fitantanana Kaominina dia tsy nisy ny fitarainana avy amin’ny vahoaka nandritra ny roa volana. Maro kosa ireo raharaha novantaniny izay hotontosaina amin’ity 2011 ity, anisan’izany ny fanamboarana ny lalana sy lalankely ary ny famitana ny drafi-pandaminana ny tanàna sy ny fanavaozana ny Fokontany. 

sary : Ralaiseheno Guy Maxime am-perinasa 

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT