Rahampitso talata 25 janoary no hotsaraina izy telo mirahalahy mpitari-tolona ao amin’ny Ankolafy Telo dia i Fetison Rakoto Andrianirina, ny solombavambahoaka Zafilahy ary ny pastera Edouard.
Tsy mikely soroka mitaky ny famoahana azy ireo mihitsy anefa ny Komity firaisankina. Ny sabotsy lasa teo dia namory vahoaka tetsy amin’ny Tranompokonolona Isotry ireo mpitarika ao amin’ity Komity ity hanontany ny hevitry ny olompirenena momba ny raharaham-pirenena, indrindra ny momba ireo gadra politika. Miombon-kevitra tanteraka amin-dry Ruffine Tsiranana sy Lalatiana Ravolomanana ireo rehetra nanoina ny antso. Nazava ny tatitra nandritra ny atrikasa notontosaina ny tapakandro maraina izay nandinihana lohahevitra efatra ka anisan’ny mpandray anjara tamin’izany ireo vahoaka tonga teny an-toerana.
Tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna ny fomba fisamborana satria noho ny heviny fa tsy hadisoana natao no isamborana olana ; voahitsakitsaka koa ny zon’ny voampanga izay tsy afaka mifanerasera akory amin’ny mpisolovava miaro azy ; sokajiana ho meloka mialoha ny hivoahan’ny didim-pitsarana ireo olona tiana halentika ary farany dia ny mpitondra ankehitriny mihitsy no tsy manisy dikany ny teny nataony. Rajoelina mihitsy anefa no nangataka ny hisian’ny “Charte des valeurs” tany Maputo araka ny fanampim-panazavan-dRaharison Abraham, mpitondra tenin’ny Komity firaisankina. Araka izany dia takian’ireo mpivory ny famoahana tsy misy hatakandro an-dry Fetison sy ny namany mba hampisy fahatoniana eto amin’ny firenena ka ahafahany mandray anjara amin’ny dinika.
Nanamafy moa i Lalatiana Ravolomanana ny tapakandro hariva nandritra ny fandraisam-pitenena malalaka fa tsy hiato mihitsy ny hetsika tarihiny raha mbola misy olona gadraina noho ny heviny. Nanentana ny rehetra ny tenany hiara-kiombom-bavaka etsy amin’ny Fjkm Andravoahangy Fivavahana anio amin’ny 6 ora maraina satria hisy ny vavaka manokana ho azy telo mirahalaly mpitari-tolona ireo amin’io fotoana io. Hihaona amin’ny Dr Simao moa ny solontenan’ny Komity anio tolakandro ka miantso ny fanohanan’ny olom-pirenena rehetra ho tonga maro etsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina. Raha ny re ny sabotsy teo dia hangataka ity iraky ny SADC ity hanery ny FAT hamotsotra azy telo mirahalahy ny anton-dia.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.