Politique

Roa andron’ny CNOSC Ny fanantenana no betsaka


  • Talata 25 Janoary 2011

Nifarana omaly alatsinainy tetsy Tsiadana ny roa andro natokan’ny vondron’ny fiarahamonina sivily Cnosc nifampitafatafana indray tamin’ireo ankolafy mpanao politika sy ireo sendika samihafa ary ireo vondrona fiarahamonina sivily hafa naman-dry zareo, amin’ny fikarohana lalana hamahana ny krizy mianjady eto amin’ny firenena ankehitriny.

Araka ny tatitra nomen-dry zareo ny mpanao gazety teny an-toerana io omaly io dia karazana volan-kakafotra ny omaly tsy miova ny voalazan’ireo rehetra niara-nidinika tamin-dry zareo tao. Samy efa dodona amin’ny famahana ny krizy ny rehetra hatramin-dry zareo Cnosc, araka ny fanamarihana azo, ka vonona ny hiatrika ny fiaraha-mitantana ny firenena (fananganana governemanta iombonana) ary samy efa vonona ihany koa hiroso amin’ny fifidianana madio sy mangarahara mba hisian’ny fifandimbiasan-toerana demokratika. Hatreto anefa aloha dia mijanona ho fanantenana ihany izany fa tsy misy voarakitra an-tsoratra nifanarahana ka natao sonia mba hampiharina avy hatrany. “Tsy azo ikoropahana ny toe-draharaha fa efa hita kosa fa miroso moramora amin’ny fivahan’ny olana”, hoy ireo mpikambana ao amin’ny Cnosc ireto, “mahavelom-bolo izany”.

Efa taratry ny firosoana amin’ny dingana ambonimbony kokoa ary noderainy manokana koa ny ezaka vitan’ny Raiamandreny FFKM niala tamin’ny fahanginany ka nahatondra ny hafatra mavesatra ho an’ny vahoaka. Nisy asa mangina nataonay tsy tapaka fa tsy nodradradradraina tety ivelany avokoa ka nilazana fa tsy nahomby ny fanelanelanan’ny Cnosc tao anatin’izany rehetra izany, hatrany Toliara tany, hoy ihany ry zareo Cnosc. “Soavaly mianto-bilona izahay tamin’izany noho ny fitiavan-tanindrazana”. Raha fintinina, amin-dry zareo ireto, dia tsy misy afa tsy ny fifampiresahan’ny samy Malagasy no vahaolana maharitra hivoahana amin’izao krizy izao ka ny rehetra mihitsy tsy misy avahana no henoan-teny amin’izany ary hifanarahana avokoa ny atao rehetra. Tsy voatery hiaraka hanao fanelanelanana amin’ny FFKM ny Cnosc, hoy ny heno tetsy Tsiadana. Ny resaka fanelanelanana dia nolazain’ity vondrona fiarahamonina sivily ity fa mbola hisy dinik’asa hiarahan-dry zareo amin’ireo iraky ny iraisam-pirenena indray ato anatin’ny andro manaraka. 

 
Manohy
 
SARY : Mpikambana Cnosc tetsy Tsiadana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT