Politique

Camille Vital Mifikitra mafy amin’ny sezany


  • Talata 25 Janoary 2011

Tsy tongatonga ho azy tsy akory, araka ny fahitan’ny maro azy ny fanambarana nataona andiana manamboninahitra lefitra ny faran’ny herinandro teo, izay manohana ny hitazonana ny jeneraly Camille Vital eo amin’ny toeran’ny praiministra fa efa tena misy ambadika politika.

Efa zary mahazatra moa ny mahita na mandre amin’ny filazam-baovao ny karazana fanambarana nandritra ity krizy ity, samy hafa ny manao sonia, saingy mitovy daholo ihany ny tanjona dia ny fanohanana an-kolaka na mivantana olona iray, na ankolafy iray, na foto-kevitra iray, eo ihany koa ny fanoherana. Araka ny fantatra dia nohetsehina ireto manamboninahitra lefitra ireto mba hanohana ny praiminisitra Camille Vital, izay manamboninahitra jeneraly, ka dingana voalohany tamin’izany ny famoahana iny fanambarana iny. Amin’ny resaka politika tahaka izao moa dia tsy ny isan’ny manasonia na manao ny fanambarana loatra no midika ho inona fa toerana na ny sokajy misy ireo vondron’olona manao izany.

Efa tafiditra tao anatin’ny sangodimpanina politika hatramin’ny 2009 ny manamboninahitra lefitra, ary efa namoaka fanambarana misimisy ihany, tao ny nanohana an’i Marc Ravalomanana, tao ny nanohana an’i Andry Rajoelina, tao no niara-dalana tamin’ireo manamboninahitra nilaza fa nijoro hiaro ny tanindrazana, tao ireo nanohana an’i Monja Roindefo, tao ireo nitarika ny vatamiaramila nikomy teny amin’ny RAS Ampahibe. Fa amin’ity indray mitoraka ity dia manohana ny praiministra am-perinasa indray izy ireo ary milaza fa izay no mety.

Efa fomba fiady eo amin’ny tontolo politika mba hijanonana eo amin’ny toerana misy ny tena moa izany, ary ny praiministra teo aloha Monja Roindefo dia efa nampiasa io resaka miaramila io ihany koa mba hanerena ankolaka an’i Andry Rajoelina hitazona azy, saingy voailika ihany izy ny farany ary dia nivadika ho mpanohitra mavaivay ny fitondrana tetezamita. Ho hita eo amin’ity indray mitoraka ity raha hahomby ny paik’ady amin’ny alalan’ny fanambarana nataon’ny manamboninahitra lefitra sy ireo mpanao politika sy vondrona politika sasantsasany amin’ny hitazonana an’i Camille Vital eny Mahazoarivo. Etsy ankilan’izany anefa dia efa misy ny anarana hafa ary tena vaovao be mihitsy, tsy anisan’ireo olona hita isan’andro eo amin’ny sehatra politika eritreretin’ireo vondrona politika hatolotra sy hotohanana amin’ny toeran’ny pariministry ny firaisam-pirenena.

 

Légende : Camille Vital notendren’i Andry Rajoelina ho Praiministra nanomboka ny 20 desambra 2009.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT