Tsikaritra fa anisan’ireo mpikambana ao amin’ny delegasionin’ny ankolafy Ravalomanana nihaona tamin’ny SADC sy ny CNOSC tamin’ny herinandro lasa teo Atoa Henri Roger Ranaivoson, izay Chief of Staff tamin’ny fitondrana teo aloha ary anisan’ireo olona tena atokisan’Atoa Marc Ravalomanana.
Araka ny fanangonam-baovao natao dia vao herinandro teo izay no niverenany indray teto an-tanindrazana, ary nanomboka tamin’izay izy dia nandray anjara mavitrika amin’ny asa rehetra ataon’ny ankolafy Ravalomanana. Tsy mpanao politika fa teknisianina i Henri Roger Ranaivoson, mpampianatra any amin’ny oniversite any Canada any ny tenany ka ny “Administration Publique” - fitantanan-draharaham-panjakana - no taranja ampianariny any efa taona maromaro ihany izao. Anisan’ireo Malagasy mamiratra miasa any ampitan-dranomasina nantsoin’ny filoha teo aloha niara-niasa aminy Atoa Henri Roger Ranaivoson ary nanaiky izany satria resy lahatra tamin’ny vina nananan’Atoa Ravalomanana sy ny finiavany hanatanteraka izany ary ny fomba fiasany haingana, kanefa mety sy manara-penitra.
Azo ambara mihitsy fa anisan’ireo tanan-kavanan’ny filoha teo aloha ity izy ary niara-dia tamin’ity farany tamin’ny fitetezana izao tontolo izao nikarohana mpiara-miasa sy mpamatsy vola hanohana ny tetikasan’ny fitondrana teo aloha. Nandray anjara betsaka tamin’ny famolavolana ny MAP ihany koa i Henri Roger Ranaivoson. Noho ny asa aman-draharaha tsy maintsy natrehany anefa dia nandao an’i Madagasikara izy tamin’ny 2008, ary tsy teto an-toerana mihitsy nandritra ireny fiandohan’ny krizy tamin’ny 2009 ireny. Rehefa raikitra anefa ny fihaonana tany Maputo dia tafiditra tao anatin’ny ankolafy Ravalomanana izy ary nandray anjara tamin’ny fihaonana ny tenany, izy rahateo moa dia havanana tsara amin’ny resaka fitantanan-draharaham-panjakana, ary mahafantatra tsara ny kipitsopitson’ny fifandraisana iraisam-pirenena.
Araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika dia tsy tongatonga ho azy eto Madagasikara Atoa Henri Roger Ranaivoson fa dia manana iraka manokana avy any amin’Atoa Marc Ravalomanana. Tsikaritra tokoa mantsy fa mpanao politika no ankamaroan’ireo mpikambana ao amin’ny delegasionin’ity ankolafy ity fa vitsy ny tena teknisianina. Tsy vitan’ny resaka politika fotsiny anefa ny fifampiraharahana ao anatin’ny krizy tahaka izao fa misy lafiny teknika sy araka ny lalàna maro be, izay tsy maintsy fantatry ny ankolafy tsirairay avy, mba tsy haha voafitaka azy amin’ny sonia izay mety hataony. Fa azo ambara ihany koa ho karazana mason’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara i Henri Roger Ranaivoson manara-maso ny zava-mitranga rehetra na ao anatin’ny ankolafy izany na ety ivelany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.