Politique

Filohan’ny Kongresy Efa maka toerana i Mamy Rakotoarivelo


  • Alatsinainy 24 Janoary 2011

Raha ny sary hita teny amin’ny FJKM Ambohipotsy omaly, nandritra ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana nanatanteranana ny famindram-pahefana amin’ny fitarihana indray ny FFKM, dia miha mazava ny resaka.

Marina fa fotoam-pivavahana izy ity ary resaka any am-piangonana, nefa mipetraka ihany ny fanontaniana raha kisendrasendra sa tena izy ity arofenitra ity fa dia nifanila toerana teo amin’ny seza anolaona, ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita amin’izao fitondrana izao, ny jeneraly Dolin Rasolosoa mivady sy i Mamy Rakotoarivelo, ary teo anilan’ity farany i Fienena Richard, ministry ny toekarena, ao anatin’ny governemanta Vital ankehitriny. Raha ny fahitana azy dia efa manomboka mandray ny toerana maha filohan’ny Kongresin’ny tetezamita azy i Mamy Rakotoarivelo.

Ity farany rahateo dia efa nifaneken’ny filohan’ny ankolafy efatra, Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary i Andry Rajoelina hitarika io andrim-panjakan’ny tetezamita io izay voarakitra an-tsoratra ary niarahan’izy ireo nanao sonia teo imason’izao tontolo izao, tany Addis-Abeba ny vola novambra 2009. Efa nandray asa tao Tsimbazaza rahateo izy, amin’izay maha filohan’ny Kongresin’ny tetezamita azy izay, ary nifandimby nitsidika sy niarahaba azy teny Tsimbazaza amin’izany andraikitra izay, ary nampanantena fiaraha-miasa ny masoivoho amerikana, Niels Marquardt, ny an’i Chine, Wo Rudi, sy ny an’i Frantsa, Jean Marc Chataîgner, raha vao tontosa ara-dalàna ny 12 novambra 2009 famindram-pahefana teo aminy sy i Jacques Sylla, filohan’ny Antenimieram-pirenena farany tamin’ny andron’ny filoha Marc Ravalomanana saingy nivadika tamin’ity farany.

Marihina fa tsy nanatrika ity fotoamben’ny FFKM ity ingahy Raharinaivo Andrianatoandro, filohan’ny Kongresy amin’izao fotoana. Mety efa mandindona azy rahateo ny fanilihana azy amin’io toerana io.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT