• Alarobia 13 Martsa 2019
Fifamoivoizana.Polisy misahana ny fifamoivoizana Miofana mandritra ny 4 andro eny Antanimora

Manaraka fiofanana manokana eny Antanimora hanatevenana ny fahaiza-manaon’izy ireo nanomboka omaly 12 martsa ireo Polisy misahana ny fifamoivoizana eto Antananarivo renivohitra.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 13 Martsa 2019
Fifamoivoizana.Fiara karetsaka eto an-drenivohitra Tsy afaka mampiakatra saran-dalana kanefa tena sahirana

Mahatsiaro ho sahirana mafy ireo mpamily fiara karetsaka eto amintsika. Ankoatra ny tsy fandriampahalemana izay mahazo vahana isan’andro mantsy dia mahatsiaro ho sahirana ihany koa izy ireo noho ny haratsian-dalana sy ny fiakaran’ny vidin-tsolika.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 13 Martsa 2019
Fifamoivoizana.Aorian’ny lozam-pifamoivoizana Inona no atao, aiza no aleha ?

Maro amin’ireo manana fiara sy mpamily no manadino ny zotra arahina amin’ny lozam-pifamoivoizana izay mety mitranga. Marihina koa fa manandanja amin’ny ho mety ho onitra na lamandy ny orinasam-piantohana sy ny mpisolovavany.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 12 Martsa 2019
Fifamoivoizana.Saran-dalana miazo ny RN1 Niakatra avokoa

Tsy nihemotra tamin’ny teny nataony ny filohan’ireo koperativa miasa any amin’iny lalam-pirenena voalohany iny fa tena nanatanteraka ny teniny ny amin’ny fampiakarana saran-dalana tokoa.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 11 Martsa 2019
Fifamoivoizana.Lozam-pifamoivoizana RN7 Vehivavy bevohoka sy lehilahy iray maty tsy tra-drano

Fito no naratra mafy, lehilahy iray sy renim-pianakaviana bevohoka miaraka amin’ny zanany tao an-kibony no maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-piarakodia 3 km tsy hiditra an’ny “Camp Robin” amin’ny lalana ihazo an’ny Fianarantsoa.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 07 Martsa 2019
Fifamoivoizana.Lalam-pirenena faha-44 Ho tapaka tanteraka

Tahaka ireo lalana maro manerana ny Nosy, dia mampikolay ny mpandeha sy ny mpitatitra ny faharatsian’ny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an’i Moramanga amin’Ambatondrazaka.

Hamaky ny tohiny
FTT