Fifamoivoizana

Fanitaran-dàlana eny Tsarasaotra-Ivandry Nivoaka ny didim-panjakana fandravana trano


  • Zoma 05 Jolay 2019

« Noraisina tao amin’ny filan-kevitry ny ministra ny didim-panjakana manambara fa « ilain’ny vahoaka ny asa fanitarana ny arabe Tsarasaotra Ivandry–La City sy ireo sampanany,

 

 

 

 ho mirazotra roa azo ifanenana ary hahafahana maka ny ampahan-tany voakasiky ny tetikasa na amin’ny alalan’ny fampiraharahana na amin’ny fanesorana noho ny antony filan’ny ho an’ny tombotsoam-bahoaka (expropriation pour cause d’utilité publique) ». Toy izany ihany koa raha tsiahivina ny tsy maintsy hanalana amin’ny fianankaviana maro noho ny fanamboarana ny lala-manitsy na ny “Nouvelle Rocade” miainga eny amin’ny Marais Masay mipaka any amin’ny By Pass. Honeran’ny fanjakana ny fanesorana amin’io. Miankina amin’ny tombam-bidin’ny fananana ho rava ny fanonerana, ary nambara efa volana vitsy izay fa ny 20% amin’ny dingana araka ny lalàna hahafaha-manala ireo olona no efa vita. Niahiahy fatratra amin’io resaka fanonerana io anefa ny ankamaroan’ireo tsy maintsy horavana ny tranony noho ny fahabetsahan’ny dosie sy ny famoronana sy fanamboarana azy ireny. Mety hiala maina ireo feno na tsy ara-dalàna ny dosie.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT