Fifamoivoizana

Fitohanana eto an-drenivohitra Hifanampy ny minisiteran’ny fitaterana sy ny ATT ary ny polisy


  • Alatsinainy 24 Jona 2019

Tena nampiteny ny moana nanomboka ny zoma teo ny fitohanana eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

 

 

Tsy nisy toerana izay tsy nahitana izany intsony, hany ka mahatsiaro ho sahirana ny rehetra. Hirotsaka an-tsehatra hanampy amin’ny fijerena akaiky izany ny minisiteran’ny fitateram-bahoaka. Ankoatra ireo polisy hisahana ny fifamoivoizana dia hanampy tompon’andraikitra ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana ka hisy mihitsy mandritra izany ny fampiasana fitaovana toy ny talky walky hahafahan’izy ireo mifampita vaovao haingana ka hitadiavam-bahaolana. Hisy ihany koa ny fampiasana drone hahafahana mitily ireo toerana tena mihitsoka izay tsy maintsy hirotsahana an-tsehatra avy hatrany. Nanomboka omaly alahady moa ilay komity natsangana hisahana ity andraikitra ity no niasa ary tsy hifarana izany raha tsy aorian’ny fety. Na izany aza dia nampanantena ny minisitera fa ezahina hotohizana hatrany ny asan’ity komity ity na dia amin’ny andavanandro aza.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT