Fifamoivoizana

Taksibe sy fiarakaretsaka


  • Zoma 21 Jona 2019

Mihena 1.000 Ar isaky ny litatra ny solika vao mety hidina ny saran-dalana

 

 Tsy mbola misy mihevitra izay hampidina ny saran-dalany hatreto ireo taksibe sy fiarakaretsaka eto an-drenivohitra. Raha fehezina, midina 1.000 Ar isaky ny litatra ny vidin’ny gazoala sy ny lasantsy vao mety hanena saran-dalana izy ireo, raha ny fanadihadiana natao omaly. Ho an’ny taksi manokana dia tena tsy misy dikany amin’izy ireo ilay 100 Ar monja nalana tamin’ny vidin’ny lasantsy teo aloha  satria mbola mijanona ho 4100 Ar ihany izany. Raha midina 3.000 Ar ny vidin’ny lasantsy iray litatra hoy ny mpamily iray vao mety hahita tombony izahay ary ho afaka mandeha taksi ny vahoaka madinika rehefa mila izany, fa raha mbola izao dia fatiantoka hatrany ny iainana. Raha ny nambarany hatrany mantsy dia 5.000 Ar izao ny “course” faran’izay akaiky indrindra nefa ny iray litatra amin’ny lasantsy mbola 4.100 Ar ihany. Ho an’ny taksibe indray na dia nidina ho 500 Ar aza ny iray litatra amin’ny gazoala tsy mampiova zavatra firy izany noho ny fotoana lany amin’ny fitohanana lavareny eto amintsika.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT