Fifamoivoizana

Taksibe tsy manara-dalàna Mbola mitohy ny fanasaziana


  • Zoma 05 Jolay 2019

Zavatra iray lehibe hita eto Antananarivo ny fanamboarana ireo lalana mihazo ny lalam-pirenena, hoy ny talen’ny fitaterana sy fifamoivoizana eto Antananarivo Renivohitra, Landy Raveloson.

 

Amin’ny ankapobeny dia mampimenomenona ny maro ny fahatapahan-dalana. Amin’ny lafiny iray kosa dia manantena fivoaran’ny kalitao amin’ireo lalana vaovao ireo mponina. Ny andraikitry ny CUA moa dia ny mifandamina amin’ny Colas izay orinasa nampandraiketana ny asa. “Aiza sy rahoaviana ny asa no atao ary maharitra hafiriana mba hahafahana mandrindra izay fifamoivoizana izay ?”, hoy izy. Io tetikasa io dia efa an’ny fitondrana teo aloha fa fanatanterahana no an’ny amin’izao. Ny asa mandeha rehetra amin’ireo RN1, 2, 4 ireo dia eo amin’ny fandrindrana ny asa no andraikitry ny CUA fa ny tetikasa mifandraika aminy toy ny fanamboarana ny RN 58A, manomboka eo Ankadimbahoaka (ampitan’ny Gastro) mandra-pivoaka any Ampasika mandalo an’Anosizato no nisy ny fivoriana niarahan’ny CUA sy ny IRM eo anivon’ny minisiteran’ny asa vaventy. Mikasika ny fifamoivoizan’ny fitateram-bahoaka, indrindra, ny Taksibe moa dia tsy hiverenana intsony fa efa nivoaka iny ny “cahier de charge” ka izay tratra tsy manaraka azy iny na iza na iza dia efa tapitra ny fotoana fampahalalana ka iharan’ny sazy izy ireo, hoy hatrany i Landy Raveloson.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT