Fifamoivoizana

Lalan’Ambatonakanga vita Manala fahasahiranana ny maro


  • Talata 25 Jona 2019

Niverina tamin’ny laoniny ny sabotsy 22 jona lasa teo ny fifamoivoizana teny Ambatonakanga midina an’Ambohijatovo.Vita tara ilay lalana « Pavé »

 

 nikitaontaona no sady efa nisy lavaka nanahirana teo aloha.Nanala fahasahiranana ny mampiasa iny lalana iny sy ny mpivezivesy eny isan’andro izany satria sady marina no mahitsy tsara amin’izao fotoana ny arabe.Mety ho an’ny fiara ary manafaingana ny fifamoivoizana ; tompon’antoka tamin’ny fanamboarana ny ministeran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy.Mety aminay io, hoy ireo olona nanontaniana ary ny faniriana dia mba ho lasa tahaka an’io avokoa ireo arabe eto Antananarivo renivohitra…ary irariana ny fiaraha-miasan’ny fitondrana foibe sy ny kaominina.Tsikaritra kosa anefa fa efa miverina amin’ny laoniny ihany koa ireo fiara mipetraka amin’ny sisin-dalana izay lasa manembatsembana ny fifamoivoizana indray andro vitsy taty aorian’ny nahavitan’ilay arabe.Tranga izay tokony handraisan’ny fokontany eny an-toerana andraikitra miaraka amin’ny mpitandro filaminana sy ny eo anivon’ny kaominina ary ny ministera tompon’andraikitra.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT