Fifamoivoizana

Ezaka hampihenana ny fitohanan’ny fiara Alamina ireo mpivarotra amoron-dalana eny Anosibe


  • Alakamisy 04 Jolay 2019

Nanentana sy nampiomana ireo mpivarotra amoron-dalana ao anatin’ny boriborintany fahefatra omaly maraina ireo tompon’andraikitra ao an-toerana.

 

 

 

 Handamina sy hanao  « alignement » an’ireo mpivarotra mantsy ny kaominina Antananarivo Renivohitra  hanenana na hanafoanana mihitsy ny fitohanan’ny fiarakodia  ao amin’ity Boriborintany iray ity. Hanomboka anio maraina ny asa raha ny fantatra  ka eny amin’ny faritry ny lalamby sy Anosibe, hatreny amin’ny « rond point » farmasia Volahanta ,mandalo ny fivarotana angady no hisantarana izany. Izao no natao dia  entina handaminana ny fifamoivoizana eny an-toerana sy hanamora ny fanamboaran-dalana. Polisin’ny tsena, miisa 15 lahy no nanatanteraka ny fanentanana sy ny fampiomanana omaly.  Nanaiky ny  fandaminana avokoa ireo mpivarotra tamin’ny ankapobeny. Hitohy eny amin’ny faritra Anosy ny asa aorian’Anosibe. Tafiditra ao anatin’ny Vinan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana izao fandaminana izao ka ny tanjona dia “tanàna madio sy milamina”.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT