• Alakamisy 24 Mey 2018
Fandriampahalemana.Vinaninkarena Antsirabe Rongony 30 kg saron’ny zandary

Rongony nilanja 30 kg indray no saron’ny zandary avy amin’ny BPR “ Brigade de la Police Routière” Antsirabe, nialoha kely ny fetin’ny Pentekosta teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 16 Mey 2018
Fandriampahalemana.Lemaka Ambohibary sy Mandrosohasina Mirongatra ny hala-bary an-tanimbary

Tsy misy hiainana mihitsy ny tantsaha any ambanivohitra fa raha tsy mifandona amin’ny dahalo dia miady amin’ny mpijinja vary an-tanimbary ihany koa. Velon-taraina mantsy ny tantsaha amin’iny lemaka Ambohibary sy Mandrosohasina iny fa tsy mandry an-tanàna mihitsy ny vatan-dehilahy amin’ny alina fa miandry vary eny an-tanimbary indray izao.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 14 Mey 2018
Fandriampahalemana.Tranon’i Maurice Tsihavonana Nisy nanafika, olona iray no maty

Hita faty tao an-tranon’i Maurice Tsihavonana mpanao famakafakana politika ao amin’ny On Air Radio 100.8 Fm teny Ambatobe ny mpiambina azy iray.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 09 Mey 2018
Fandriampahalemana.Ambano-Antsirabe Notafihin’ny jiolahy indray ry Masera

Notafihin'ny jiolahy indray ny alin'ny alatsinainy hifoha ny talata ny Tobin-dry Maseran'ny Lasalety tao Ambano, izay toeram-piompiana sy fambolena. Jiolahy niisa fito ary nitondra basy kilalao sy kibay no nanafika azy ireo.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 03 Mey 2018
Fandriampahalemana.Vokatry ny tsy fandriampahalemana Hihazakazahana ny fanamboarana « grille de protection »

Mirongatra sy mahazo vahana hatrany ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Vao tamin’ny talata, ohatra, dia toerana fakana sy fanaterana vola iray teny Ankadindramamy no notafihina jiolahy tsy misaron-tava roa mitondra môtô ka lasany tamin’izany ny vola 3 tapitrisa Ar.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 02 Mey 2018
Fandriampahalemana.FANAFIHANA TENY ANKADINDRAMAMY

Lasan’ny jiolahy ny vola izay tao anaty « caisse » tetsy Ankadindramamy. Ireny toerana fandraisam-bola amin’ny alalan’ny finday ireny no notafihan’ny efa-dahy vao maraina omaly.

Hamaky ny tohiny
FTT