Fandriampahalemana

Ambano-Antsirabe Notafihin’ny jiolahy indray ry Masera


  • Alarobia 09 Mey 2018

Notafihin'ny jiolahy indray ny alin'ny alatsinainy hifoha ny talata ny Tobin-dry Maseran'ny Lasalety tao Ambano, izay toeram-piompiana sy fambolena. Jiolahy niisa fito ary nitondra basy kilalao sy kibay no nanafika azy ireo.

Nofatoran'ireo jiolahy ny mpiambina ary novakian'izy ireo ny varavaram-by ka dia tafiditra tao ireo jiolahy. Ny vola avy hatrany no notadiavin'izy ireo ary notereny hamoaka vola 20 tapitrisa i Masera, saingy tsy nisy izany moa tao fa vola 7 hetsy, vidin-kisoa ary saika handoavana faktioran'ny Jirama sy ny karaman'ireo mpiasa ao aminy no tao ka dia netin'ireo jiolahy izany, niampy ny finday azy 3 mirahavavy ao an-toerana. Tsy nisy moa ny herisetra na fanolanana nahazo ireo masera raha ny fanazavana na dia saika hataon'ny iray tamin'ireo jiolahy ihany aza ny masera iray izay nentin'izy ireo nivoaka. Io masera nentin'izy ireo nivoaka io moa no tafaporitsaka ary niafina tany anaty saha ka noheverina fa nataon'ireo jiolahy takalon'aina, ka ora maro taty aoriana vao nipoitra izy, izay naratran'ny vakin-tavoahangy ny kibony sy ny lamosiny noho ny fisaotiana tamboho. Tonga tany an-toerana moa ny solombavambahoaka Randrianatenaina José sy ny Ben’ny tanàna ary  ireo mpitandro ny filaminana nanao ny fanadihadiana. Ny fanadihadiana no nahafantarana fa diso adiresy ihany ireo jiolahy satria noheverin’izy ireo fa mitazona ny vola azo nandritra ny Kerimesin’ny fiangonana ny faran’ny herinandro teo ireto masera ireto ka izany no tena notadiavin’izy ireo raha ny fanazavana netin’ireo relijiozy ihany. Raha tsiahivina dia herintaona sy iray volana katroka izay no nitrangan’ilay fanafihana masera tao Antsahatanteraka, kaominina Andranomanelatra, izay mbola ny fikambanan’ireto masera ireto ihany koa no lasibatra tamin’izany.

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT