Fandriampahalemana

Vokatry ny tsy fandriampahalemana Hihazakazahana ny fanamboarana « grille de protection »


  • Alakamisy 03 Mey 2018

Mirongatra sy mahazo vahana hatrany ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Vao tamin’ny talata, ohatra, dia toerana fakana sy fanaterana vola iray teny Ankadindramamy no notafihina jiolahy tsy misaron-tava roa mitondra môtô ka lasany tamin’izany ny vola 3 tapitrisa Ar.

 

 Tsy misy izay tsy mihorohoro ny rehetra, antony tena mampandeha be ny asan’ireo mpanamboatra « grille de protection » eto amintsika ankehitriny. Ankoatra ireo ivontoerana fakana sy fanaterana vola ireny dia tokantrano telo isan’andro raha kely no tonga manatona azy ireny mampanamboatra vavahady na varavarana na koa fiarovana ny varavarankely. Tsy mihoatra ny 50.000 Ar anefa ny zakan’ny tokantrano iray amin’ny fanamboarana grille de protection ho an’ny varavarankely iray araka ny fanadihadiana natao tetsy Anosy. Noho ny fahasahiranana mianjady amin’ny tokantrano Malagasy avokoa no antony saingy tsy maintsy manokam-bola ny ankabeazany hahafahana miady amin’ny firongatry ny asan-dahalo. Eo an-daniny, voatery miditra fatiantoka na tsy manao mihitsy ireo orinasa kely manana traikefa amin’ity asa iray ity noho ny halafosan’ny vidin’ny vy. Miakatra andro aman’alina ihany koa mantsy ny vidin’ireo kojakoja fanamboaran-trano tato ho ato.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT