Fandriampahalemana

Tranon’i Maurice Tsihavonana Nisy nanafika, olona iray no maty


  • Alatsinainy 14 Mey 2018

Hita faty tao an-tranon’i Maurice Tsihavonana mpanao famakafakana politika ao amin’ny On Air Radio 100.8 Fm teny Ambatobe ny mpiambina azy iray.

Voalaza fa nisy jiolahy nanafika ny tranony. Nanapaka ny vy fiarovana ary niditra teo amin’ny varavarankely ireo jiolahy raha ny fampitam-baovao azo, ka fahitalavitra avo lenta iray sy kojakoja maro samihafa tao an-dakozia no voaroba. Niafina i Maurice Tsihavonana sy ny fianakaviany ka tsy nisy voakitika fa ilay mpiambina no voalaza fa voadaroka tamin’ny « bois rond » ka maty tsy tra-drano. Misy loharanom-baovao hafa kosa milaza fa mampiahiahy ny zava-niseho satria nahoana no lasa ilay fahitalavitra kanefa tafajanona tsara amin’ny toerany ireo « decodeurs » sy zavatra hafa nanakaiky azy, ary tsy nisy nikorontana mihitsy nanodidina ny toerana nakana io fahitalavitra io. Andrasana izay vokatry ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana. Fantatry ny rehetra amin’ny fanehoan-kevitra sy famakafakana miaro ny fitondrana HVM i Maurice Tsihavonana ka manitikitika ny sain’ny maro ny hoe : fanafihan-jiolahy tsotra ve no nitranga sa zavatra misy ifandraisany amin’ny toe-draharaha politika ankehitriny sa zavatra hafa mihitsy ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT