Lasan’ny jiolahy ny vola izay tao anaty « caisse » tetsy Ankadindramamy. Ireny toerana fandraisam-bola amin’ny alalan’ny finday ireny no notafihan’ny efa-dahy vao maraina omaly.
Vola mitentina telo tapitrisa ariary no lasa tao ary nitsoaka tamin’ny moto scooter miisa roa izy ireo taorian’ny fanafihana mitam-piadiana. Fantatra koa fa basy poleta miisa roa no nampisain’ireo mpandroba.
LEHILAHY VOATIFITRA TENY ANJANAHARY
Maty notifirin’ny jiolahy ny lehilahy iray izay sendra mba nivoaka raha naheno antso vonjy tetsy Anjanahary. Nentina tao amin’ny tranompaty izy omaly araky ny toromariky ny polisy misahana ny heloka bevava ny mba hanaovana fitsirihana ny razana. Raha ny fantatra dia noheverin’ireo olon-dratsy fa handeha hisambotra azy ilay rangahy tsy manan-tsiny ka avy hatrany dia notifirin’ireo. Vehivavy kosa no saika hendahina saingy tsy tontosa izany noho ny zava-niseho.
ZANDARY SANDOKA
Zandary sandoka iray no nosamborin’ny zandary tena izy tao Vatomandry. Izy io dia nisoloky ho Lietnà eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ary milaza fa mahatafiditra olona ho zandary aorian’ny fifaninanana izay hatao. Efa olona marobe no nahazoany vola sy nangalany dosie. Nandeha ny feo ka nahatonga ny fikarohana izay niafara tamin’ny fisamborana azy. Tany Vatomandry sy Mahanoro no tena betsaka tamin’ny olona nangalany vola.
FIARA NISANDOKA
Fiara roa no nogiazan’ny polisy tetsy Ambohimanarina. Izany dia noho ny fampiasana tsy ara-dalàna ny marika manokana fa fiara mitondra manampahefana ireo fiara ireo kanefa tsy izany akory no niseho. Ny iray nanisy sainam-pirenena nihantona teo anoloan’ny fitaratra (cocarde). Ny faharoa kosa dia nampiasa « gyrophare » na jiro mirehidrehitra. Sady tsy misy taratasy fahazoan-dalana ho amin’izany ireo fiara no an’olon-tsotra. Notazomin’ny polisy avy hatrany ary nampidirina « fourrière ».
FADINTSERANANA
Raikitra koa ny ady an-trano eo anivon’ny fadintseranana. Mifanohitra ny fanambaràna izay ataon’ireo milaza ho fikambanan’ny mpiasa ary koa ny sendika. Namaly ny filohan’ny sendikan’io sehatra io fa misy antsonjay ataon’ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny fadin-tseranana ary izany no mitarika ny mpiasa maro miahotra ny hitokona. Izany indrindra anefa no isan’ny hiadiana sy iarahana amin’ireo depiote izay mitaky ny fanovàna, raha araka ny nambarany.
RN1
Olona telo no namoy ny ainy ,ny roa vehivavy, ny iray zazalahy ary amam-polony naratra vokatry ny fifanosehina teo am-bavahadin'ny Espace Laza Antanifotsy taorian'ny fampisehoana nataon'i Tarika Jean Aimé sy Elidiot, maromaro ireo efa nahazo fitsaboana ka namonjy ny fodiana. Araka ny fanazavana azo dia taraiky be ny famoahana ny vavahady lehibe ka niteraka ny fifanosehana izay niafara tamin'izao loza izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.