Rongony nilanja 30 kg indray no saron’ny zandary avy amin’ny BPR “ Brigade de la Police Routière” Antsirabe, nialoha kely ny fetin’ny Pentekosta teo.
Niainga tany Ihosy ireto rongony ireto ary nokasaina haondrana eto Antananarivo izao tra-tehaky ny zandary izao. Olona tsara sitrapo no nampandre mialoha ny mpitandro ny filaminana ny fisian’ny entana tao anatin’ilay sprinter nitondra azy. Natao tsara fono tao anaty gony ary avy eo dia mbola nofonosina harona plastika sy nogejaina mafy tamin’ny alalan’ny scotch ihany ireo rongony. Marihina anefa fa misy ny anaran’ny tompon’entana avokoa ny entana rehetra mifatotra any ambony mba hisorohana ny fivadihan’ny entana. Nahagaga fa ireo rongony ireo dia tsy mba nisy anarana sy famantarana mihitsy, ary nohodidinina entana maro, sy natao tao afovoany indrindra, izany hoe tsy ho tazana mihitsy raha topazana maso ivelany fotsiny. Rehefa nohadiadiana moa dia mpivady no tompon’ny entana ary tsy nandà izy ireo saingy nambarany fa niray tendro tamin’izy ireo ny mpamily ilay taksibrosy amin’ny hitondrana ireo rongony ireo. Voalaza fa anisan’ireo rongony avo lenta sy lafo vidy, hono, ity tra-tehaka ity, ary nambara fa 5 hetsy no nividianan’ilay mpivady azy tao Ihosy ary 360 000 kosa ny sarany nitondran’ilay fiara azy miantoka ny hahatongavany eto Antananarivo. Io no mahagaga sy mahalasa saina fa toa ao Antsirabe avokoa no hahatrarana ireo mpanao afera ratsy mampiasa ny lalam-pirenena faha 7 iny ary misy mihitsy aza ny sahy milaza fa vao afaka an’Antsirabe ny entana tsy ara-dalàna dia malalaka ny ahatongavany amin’izay alehany.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.