Fandriampahalemana

Lemaka Ambohibary sy Mandrosohasina Mirongatra ny hala-bary an-tanimbary


  • Alarobia 16 Mey 2018

Tsy misy hiainana mihitsy ny tantsaha any ambanivohitra fa raha tsy mifandona amin’ny dahalo dia miady amin’ny mpijinja vary an-tanimbary ihany koa. Velon-taraina mantsy ny tantsaha amin’iny lemaka Ambohibary sy Mandrosohasina iny fa tsy mandry an-tanàna mihitsy ny vatan-dehilahy amin’ny alina fa miandry vary eny an-tanimbary indray izao.

 

 Efa manomboka hojinjaina mantsy ny vary any an-toerana satria tsy mbola tena fararano tanteraka, ka izay tsy miambina dia ny mpangalatra no tonga aloha. Efa maro no lasibatra raha ny tatitra avy tany an-toerana ary mbola mitohy izany. Tsy tena jinjaina toy ireny fanaon’ny tantsaha ireny moa no ataon’ny mpangalatra, hoy ny loharanom-baovao fa laingosany, izany hoe ilay salohim-bary avy hatrany no jinjain’ireo mpangalatra. Tsy hitan’ny olona intsony izay hitarainana satria efa ho lava sy maro ny karazana tsy fandriampahalemana any ambanivohitra ka dia ny miambina sisa no azo atao ary mitatitra ny zava-misy fotsiny.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT