• Talata 17 Oktobra 2017
Toekarena.Tetikasa hiarahana amin’ny Maraokanina Hanomboka tsy ho ela ny asa ao Antsirabe

Raikitra ary hatomboka tsy hoe ela intsony ny tetikasa roa sosona hiarahan’ny kaominina Antsirabe amin’ny firenena Maraokanina. Delegasionina nafonja no tonga tao Antsirabe avy amin’ny firenena Maraokanina omaly alatsinainy, nijery ny pitsopitsony amin’ny hanombohana ny asa amin’izay.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Oktobra 2017
Toekarena.Voka-dratsin’ny pesta Nihemotra ny 30%-n’ny mpizahatany ao Toamasina

Nandritra ny fandalavon’ny minisitry ny fizahantany Ratsiraka Roland tao Toamasina ny zoma teo niaraka tamin’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, nitondra ireo manampahaizan’ny OMS momba ny valanaretina pesta, lanonana natao tao amin’ny efitrano malalaky ny faritra atsinanana, no nahalalana fa efa mahatratra 20% hatramin’ny 30% ny famandrihana hitsidihana an’i Toamasina nataon’ireo mpizahatany no efa nanafoana ny fitsidihany.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Oktobra 2017
Toekarena.Fatiantoky ny Tiko AAA Mitentina 800 tapitrisa ariary

Mbola mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nanakatonan’ny fanjakana ny orinasa Tiko AAA any Andranomanelatra Antsirabe. Nambara ho tsy nahazo alalana ara-tontolo iainana ny orinasa, ka nakaton’ny fanjakana tamin’ny anaran’ny minisiteran’ny tontolo iainana tamin’ny alalan’ny minisitra Ndahimananjara Johanita sy ny minisiteran’ny Indostria tarihin’i Tazafy Armand.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Oktobra 2017
Toekarena.Taom-piotazana jirofo Hisokatra anio ny an’ny faritra Atsinanana

Nivoaka ny zoma 13 oktobra teo ny didim-pitondram-paritra laharana 014/2017/Res-Ats, mikasika ny taom-piotazana jirofo ho an’ny faritra Atsinanana amin’ny taona 2017 – 2018.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 14 Oktobra 2017
Toekarena.Fanakatonana an’Andranomanelatra Hitory ny fanjakana ny Tiko AAA

Nafampana ny toe-draharaha tany amin’ny Tiko Andranomanelatra omaly. Tonga vao maraina nitaky ny fanokafana ny orinasa Tiko AAA ireo mpiasa sy ny tantsaha mivelona amin’ny alalan’ity orinasa ity.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 13 Oktobra 2017
Toekarena.Fanotofana tany eny Ampitatafika Ho fanitarana ny tanàn-dehibe

Anisan’ny raharaha iray mitana ny sain’ny maro hatreto ny asa fanotofana tany eny amin’ny tanimenabe ao anatin’ny kaominina Ampitatafika.

Hamaky ny tohiny
FTT