Toekarena

Minisitra Tazafy Armand « Misokatra ny Tiko AAA rehefa mahafeno fepetra »


  • Talata 31 Oktobra 2017

Nanamafy indrray omaly alatsinainy ny minisitry ny Indostria Tazafy Armand fa tsy afaka misokatra ny orinasa Tiko AAA ao Antsirabe raha tsy feno ny fepetra rehetra ;

tafiditra ao anatin’izany ny fahavitan’ilay fahazoan-dalana amin’ny fanajana ny tontolo iainana sy ny fandoavana ny hetra.Tsy misy ny fe-potoana napetrakka fa rehefa voahaja ireo fepetra ireo dia afaka miverina miasa ny Tiko AAA hoy ny minisitra ; notsipihany mazava tsara fa tsy misy resaka politika izy ity ary tsy hoe misy fanavakavahana fa dia asa tsy maintsy atao amin’ny fanadiovana ny sehatry ny orinasa eto Madagasikara sy ny fampanajana ny lalàna.Miandry ny fahavitan’ny taratasy rehetra avy amin’ny Tiko AAA izahay, hoy i Tazafy Armand ka rehefa vita izany dia afaka miverina miasa soamantsara ny orinasa.Manizingizina koa anefa ny mpitantana ny orinasa tamin’ny alalan’ny tale jeneralin’ny AAA Lanto Rabenatoandro fa misy tsy rariny izao fanapahan-kevitra izao satria misy ireo orinasa tsy manana « permis environnemental » fa mbola eo am-pikarakarana ny taratasy momba izany kanefa afaka miasa , ka nahoana no ny Tiko AAA irery no nakatona.Tantara mitohy ity raharaha ity ary maro no manaraka akaiky ny fivoarany na ny eto an-toerana na ny any ivelany satria orinasa Malagasy manana ny maha izy azy ary afaka manome asa Malagasy an’arivony ny Tiko AAA izao nakatona izao.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT