Toekarena

Vakinankaratra Orinasa 5 tsy manana “permis environnemental” kanefa miasa


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2017

Mazava ny tatitra an-taratasy nataon’ny sampandraharaham-paritry ny tontolo iainana sy ny ala Vakinankaratra taorian’ny fivoriana natao ny alakamisy teo fa misy orinasa 5 tsy mbola manana ny fahazoan-dalana amin’ny fanajana ny tontolo iainana na permis environnemental any an-toerana.

 

Eo ny Aquarelle, Socolait,LMM,Tsarafy sy Sahva; raha toa ka orinasa efa an-dalam-pikatonana ny LMM dia miasa tsara kosa ireo orinasa 4 hafa. Mahagaga ny zavatra tahaka izao, hoy ny tale jeneralin’ny orinasa AAA Lanto Rabenatoandro fa na miaraka akatona tahaka ny nataon’ny fanjakana tamin’ny AAA ireo mbola tsy nahavita ara-dalàna ny taratasiny na samy avela hiasa fa tsy misy fanavakavahana tahaka izao.Ny ONE na ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana irery ihany no afaka manome io “permis environnemental” io ary misy ny dingana arahana amin’ny fahazoana azy.Ity tranga any Vakinakaratra ity no mahatonga ny maro hieritreritra fa tsy teknika velively fa tena politika ny antony nanakatonana ny orinasa AAA izay miara-miasa amin’ny Tiko satria heverin’ny mpitondra fanjakana angamba fa hampitombo ny tanjaka politikan’i Marc Ravalomanana ny fiparitahan’ny vokatry ny AAA Tiko , ka hahatsara toerana azy amin’ny fifidianana ho avy manaraka eo. Manaratsy endrika hatrany ny fitondrana anefa ny zavatra tahaka izao ary antony iray tsy mamparisika ny mpamatsy vola ho avy eto. Ankoatra izay, fantatra fa nitory ny Jirama ny orinasa AAA Tiko noho ilay fanapahana ny herinaratra tao aminy kanefa voaloa tsara ny faktiora.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT