• Alatsinainy 23 Oktobra 2017
Toekarena.Voly Penjy Hovelomina ao Farafangana

Tapa-kevitra ny hamelombolo indray ny voly “Mahampy” izay ampisaina amin’ny fanamboarana harona sy satroka sy asa tanana maro samihafa ny fikambanam-behivavy ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Manamboatra distrikan’i Farafangana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 20 Oktobra 2017
Toekarena.Fanokafana ny TIKO AAA Tsy te hahalala ny fanjakana

Nihaona tamin’ny minisitry ny indostria Tazafy Armand omaly ny filohan’ny sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM) Fredy Rajaonera.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 19 Oktobra 2017
Toekarena.Taksibrosy Fasan’ny Karana Nihena ny mpandeha noho ny Pesta

Mikasa ny hampitsahatra ny asa tanterahiny ireo mpitatitra ao amin’ny zotra nasionaly sy rezionaly etsy amin’ny toby fiantsonana Fasan’ny karana raha mbola mitohy hatrany ny fiparitahan’ny valan’aretina Pesta.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 19 Oktobra 2017
Toekarena.Blueline Business Tolotra miavaka ho an’ny orinasa

Raha tamin’ny alalan’ny orinasam-pifandraisana Bip, ny fampitana ireo karazana vata fahitalavitra misy any ivelany no tena nahafantaran’ny maro ny orinasa Blueline teo aloha teo dia fantatra fa efa manana ilay tolotra “Bleuline Business” ihany koa izy ireo ankehitriny.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 18 Oktobra 2017
Toekarena.Pavillon vaovao - Esplanade Analakely Ho vita amin’ny faran’ny volana novambra ny asa

Ny 90 %-n’ny asa fanamboarana ireo pavillon vaovao etsy amin’ny esplanade Analakely amin’izao fotoana no efa vita tanteraka. Mandalotra sy mandoko ireo efitrano miisa 33 sisa no asa hiantsorohan’ireo tompon’andraikitra misahana izany, araka ny vaovao azo teo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Oktobra 2017
Toekarena.Fahatapahan-jiro lavareny Lasibatra hatrany Itaosy sy ny manodidina

Efa maro ihany izay fitraorana sy fitokonana nisy teny Itaosy sy ny manodidina izay noho ny fahatapahan-jiro matetika loatra eny an-toerana saingy tsy voavaha hatramin’izao ny olana.

Hamaky ny tohiny
FTT