Nihetsika indray ny mpiasan’ny AAA-Tiko Andranomanelatra ny talata 31 oktobra lasa teo, tao amin’ny ozinina Andranomanelatra ary mihamafana ihany ny fitakian’ireo mpiasan’ny AAA-Tiko
ny fanokafana ny orinasa hiasan’izy ireo satria mahatsapa ny mizana tsindrian’ila ataon’ny fanjakana azy ireo ny mpiasa. Isan’ny nampihetsika ireo mpiasa moa ny fahitan’ireo mpiasa ilay taratasy laharana : 360/17/MEEF/SG/DREEF/VAK, izay tatitry ny fivorian’ny orinasa misy tao Antsirabe ny 19 oktobra lasa teo ka nivoahan’ireo orinasa niisa 5 ao Antsirabe izay tsy manana ihany koa ny taratasy notakiana toy ny tamin’ny AAA-Tiko Andranomanelatra, saingy nankatoavin’ny fanjakana. Ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa misy amin’ireo orinasa miisa 5, voalaza fa tsy manana io fahazoan-dalana momba ny tontolo iainana io ao Antsirabe no fantatra fa an’ny mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena ny iray ary misy fampiasam-bolan’io olona io ihany koa ny orinasa afaka haba iray voatonona amin’izany, izay efa mampitaraina ny mpiasa ao aminy aza ny fomba fitantanana ny mpiasa, kanefa jeren’ny fanjakana fotsiny. Tsy miova ny resaka fa ny fanokafana tsy misy hatakandro ity orinasa ity ihany mba ahafahan’ireo mpiasa mivelona indray, ankoatra ireo tantsaha mpamatsy vokatra azy ireo. Efa nambaran’ireo tantsaha fa ny orinasa mpanangona ronono tsy manana taratasy ara-dalàna, kanefa omen’ny fanjakana vahana dia tsy mahazaka ny fandraisana ireo rononon’ny tantsaha fa ferany ihany ny raisiny sady tsy ara-dalàna ny fandoavam-bolany ka izany no hanampian’izy ireo ny mpiasa amin’ny fitakiana ataony, satria milamina kokoa ny fiaraha-miasa amin’ny AAA-Tiko nanomboka ny volana mey 2016 lasa iny. Raha ny tsilian-tsofina dia hihamafy ihany ny fitakiana, izay tsy hijanona raha tsy misokatra ny AAA-Tiko. Hiaraha-mahita eo indray ny tohiny satria mety hiafara amin’ny gidragidra indray ity resaka ity atsy ho atsy. Miantso ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra mihitsy ireo mpiasa mba hijery azy ireo sy ny tompon’andraikitry ny orinasa amin’ny maha Malagasy azy ireo sy ny amin’ny maha orinasa Malagasy ny AAA-Tiko ihany koa. Nohamafisin’ireo mpiasa fa mba filamatry ny faritra ny hoe : « Tsary misy harena noho ny olona », ka asa raha mba olona ihany ireo mpiasan’ny AAA-Tiko ireo na tsia !
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.